Socio-eco

Opération Brioche/chocolat: Velona tsara ny Orchidées Blanches


Ny 24-26 mey 2018 no natokan’ny fikambanana Orchidées Blanches (OB) hanatanterahana ny andiany faha 46 ny “Opération brioche/chocolat”. Raha 200 monja no hany mba lafo tamy taona 1972 nanombohana izany, dia nahatratra brioches 16931 kosa no lafo tamy 2017 sy chocolat 4000. Mandritra io hateloana mey 2018 io kosa dia maminavina tanjona brioches 18000 sy chocolats 5000 ny fikambanana.

Ny fianakaviana Ramaroson André no namorona sy mitantana ny OB. Zaza sy ankizy ary tanora miisa 130 manana fahasembanana ara-tsaina no raisina an-tanana tezaina ao ankehitriny. Fampianarana manokana no hanefena azy ireo mandritra ny androm-piainany ary mpampiofana (Educateurs spécialisés) no miandraikitra izany. Antoandro ihany no misokatra ny Centre, izany hoe tsy misy kilasy mandry fa mody any amin’ny ray aman-dreniny rehefa hariva ny ankizy. Misy fandraisana anjara symbolika anjaran’ny ray aman-dreny. Misy fiara manokana hitanterana ireo zaza ireo ny maraina sy hariva.

Etsy Androhibe (Analamahitsy) no misy azy amina toerana mahafinaritra izay natolotry ny fianakaviana Rasoanaivo. Nanana zanaka niaina fahasembanana ara-tsaina nandritra ny androm-piainany atao hoe Rasoanaivo Jean Charles izany fianakaviana izany. Natokan’ny fianakaviana RAMAROSON hahatsiarovana izany lehilahy izany ny “centre OB”, ary ho tokanana ato ho ato iny lalana manoloana ny OB iny ka hitondra ny anarana Rasoanaivo Jean Charles.

Maro ny mpiara-miasa sy mpiara miombon’antoka manohana ny asa soa ataon’ny OB, fa anisan’ny tonga maro nanotrona ny lanonam-panokafana ny opération brioche/chocolat 2018 ny Lion’s Club Analamanga sy ny zandriny Leo izay nividy brioches anarivony. Nisolotena ny Minisitry ny Mponina Onitiana Realy nanome voninahitra ny fotoana sy nandray anjara mavitrika tamy fividianana brioche Razaka Manantenasoa Ralphine Talen’ny Olona manana fahasembanana sy Zokiolona (DPHPA) ao amy MPPSPF.

Ny tanjona kendren’ny hetsika brioche/chocolat dia hanamaivanana ny vesatra tsy maintsy alohan’ny OB amy fitaizana ireo OMF 130 ireo andaniny. Ankilany kosa dia hanentanana ny besinimaro ho rototra amin’ny zon’ny OMF. Ary farany dia hiantohana ny hoavin’ny OB ara-bola.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *