Socio-eco

ONIVERSITE MASCA SABOTSY NAMEHANA: Famoahana ny mpianatra andiany faha-5


Mpianatra 30 ao avy amin’ny oniversite UPA/HPI-MASCA (Université Polytehnique d’Avarandrano/Higher and Professional Institute) Sabotsy Namehana indray no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 26 novambra 2021. Avy amin’ny lalam-piofanana « Paramed », « Agronomie » ary « Communication et Multimédia » izy ireo ary nahazo ny diplaoma Licence. Nisalotra ny anarana « Lafatra » ny tarika indray nihira avy amin’ny lalam-piofanana Paramed, T.A.H.A ny avy amin’ny « Agronomie, mention entreprenariat rural » ary « Kanto » ho an’ny « Communication et Multimedia ». « Mafimafy ihany no nanatanterahana ny famoahana ireto andiany ireto satria mbola tao anatin’ny Covid fa noho ny ezaka nataon’ny mpampianatra sy ny mpianatra dia vita araka ny tokony ho izy fa tsy hoe natao ankamehana fotsiny », hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Masca, Rakotoson André. Ray mpiahy sy reny mpiahy ireto andiany ireto Raholinarivo Solonavalona Paolo Emilio, Directeur des etudes et gestion de risques ao amin’ny BNGRC sy Dr Raharimamonjy Laliarisoa, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Analamanga.

Ny 9 novambra 2021 teo ny fidiran’ny mpianatra ao amin’ny oniversite Masca ho an’ny taom-pianarana 2021-2022. “Mbola afaka mandray ireo  mpianatra somary taraiky izahay. Mbola azon’ny mpianatra enjehina tsara ny vita hatramin’ny 9 novambra”, hoy Rakotoson André. Mandray mpianatra avy any ivelany hiditra taona faharoa na fahatelo ka manana “relevé de note” ara-dalana avy any amin’ny sekoly nisy azy tany ihany koa ity sekoly ambony eny Avarandrano ity. Tsy manofa trano fa manana foto-drafitr’asa an’azy manokana ny oniversite Masca. Manana efitrano malalaka hanatanterahana ny fampianarana. Ankoatran’ireo mpiara-miombon’antoka mandray ny mpianatra hanao fanazaran’asa (stage) dia manana toerana an’azy manokana ihany koa ny oniversite hanaovan’ny mpianatra avy ao amin’ny lalampiofanana « Agronomie » stage. Nambaran’ny Filoha Tale Jeneraly fa iantohana maimaimpoana ny fiara ho entin’ireo mpianatra rehefa manao voyage d’étude. Avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy manodidina, avy any Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, avy any Ambatomanohana, Anjozorobe ny ankamaroan’ireo mpianatra mandranto fianarana ao amin’ny UPA/HPI-MASCA.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *