Socio-eco

ONIVERSITE HPI/MASCA: Mamolavola mpianatra hamorona asa


Namoaka mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence indray ny oniversite HPI/MASCA Sabotsy Namehana. Mpianatra 37 avy amin’ny lalam-piofanana fitsaboana (Paramedicaux), fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, (Agronomie) ary serasera (communication et journalisme) ireto tarika indray nihira andiany faharoa ireto. Ny 11 mey 2018 lasa teo ny lanonam-pamoahana tamin’ny fomba ofisialy azy ireto. Nisalotra ny anarana TAFA ny andiany nivoaka avy ao amin’ny “Agronomie”. AFAKA ho an’ny mpianatry ny “Paramedicaux” ary FANILO kosa ho an’ny mpianatra avy ao amin’ny « communication et journalisme ».

Mahaleo tena

Fanamby ho an’ny oniversite HPI/Masca Sabotsy Namehana ny famolavolany ny mpianatra hamorona asa. Nohamafisin’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona MASCA, André Rakotoson izany nandritra ny lahateniny tamin’ny famoahana ireto andiany faharoa ireto fa ny hananan’ny mpianatra asa mahaleo tena no tanjon’ny ivom-pampianarana. Misy amin’ireo mpianatry ny “agronomie” izao no efa manana ny asany manokana toy ny fananana toeram-piompiana sy toeram-pambolena ary efa manana tsena hamarotana ny vokatra. Ray mpiahy ny andiany TAFA ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra zezika Guanomad, Erick Rajaonary sady mpiara-miasa akaiky amin’ny HPI/Masca. Mifanaraka amin’ny fiofanana mamaim-poana omen’ny orinasa ny tanjon’ity fianarana ambaratonga ambony ity. “Mampiofana ireo tanora hanangana ny tetikasany manokana izahay. Manome tantsoroka azy ireo ny fandrafetana ny antontan-taratasy hahazoana famatsiam-bola avy any amin’ny banky na mpamatsy vola hafa”, hoy i Erick Rajaonary.

Nirina R

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *