Socio-eco

ONIVERSITE HPI/ MASCA SABOTSY NAMEHANA: Tontosa soamantsara ny famoahana ny andiany fahaenina


« Andao hiasa ho  fahazavana ». Io no lohahevitra nampisalorana ny famoahana ny andiany fahaenina tao amin’ny oniversite HPI/Masca Sabotsy Namehana. Ny zoma 30 septambra 2022 no nanatanterahana ny lanonana famoahana ireo mpianatra miisa 30 nahazo ny diplaoma Licence. Avy amin’ny lalam-piofanana telo (03): momba ny fambolena  sy fiompiana (Agronomie et Entrepreunariat rural), mpitsabo mpanampy (Paramedicaux) ary Serasera (Communication)  izy ireo. Nitondra ny anarana « Vahatra » ny andiany avy amin’ny lalam-piofanana Agronomie;  « Kintana » ny avy ao amin’ny Paramedicaux  ary « Soa » ny lalam-piofanana Serasera. “Tanteraka soamantsara ny famoahana ny andiany fahaenina na dia nisy fanelingelenana  aza satria mbola tao anatin’ny ramborambon’ny Covid 19”, hoy Rakotoson André,  Tale jeneralin’ny HPI/Masca.  Nambarany fa nosafidian’ny mpianatra ny lohahevitra hoe  « Andao hiasa ho  fahazavana » satria ny asa no miteraka fahazavana, fahavelomana. «Mazava ho azy fa afaka miady amin’ny fiainana rehafa manana asa”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany dia nihena ny isan’ireo mpianatra nivoaka vokatry ny fihibohana naterakin’ny valanaretina Covid-19. “Nisy tamin’ireo mpianatra no nitsoaka an-daharana vokatrin’ny fahasahiranana noho ny valanaretina”, hoy Rakotoson André.  Tsy mbola nampiakatra ny saram-pianarana ny oniversite HPI na dia teo aza ny fiatrainkan’ny Coronavirus sy fiakaran’ny vidim-piainana. “Tsapa fa miezaka hatrany ny ray aman-dreny  ho tombontsoan’ny zanany”.  Marihina fa ny 10 oktobra 2022 ho avy izao ny fidirana ho an’ny taona voalohany.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *