Socio-eco

ONIVERSITE AZO ANTOKA: Isaky ny diplaoma amin’ny lalam-piofanana ny fankatoavana


Betsaka ny mpianatra eny amin’ny oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana no diso fanantenana satria tsy manan-kery ny diplaoma azony. Raha nandeha tamin’ny dokam-barotra fa nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa (Mensupres) ny oniversite tsy miankina iray, tsy midika izany fa nankatoavin’ny fanjakana avokoa ny lalam-piofanana ao aminy. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fampianarana fampitan-davitra (CNTEMAD), Djohary Andrianambinina fa na oniversitem-panjakana na tsy miankina dia tsy maintsy misy didim-panjakana manamarika fa nahazo fankatoavana ny diplaoma tsirairay isaky ny lalam-piofanana.

Ho an’ny CNTEMAD izao, lalam-piofanana miisa valo hahazoana diplaoma Licence sy Master no misy ao aminy. Noho izany, manana didim-panjakana 16 ny oniversite amin’izao fotoana izao. Mampatsiahy ny mpianatra ny tale jeneralin’ny CNTEMAD fa mila mailo satria lalam-piofanana « Paramed » fotsiny no nahazoan’ilay oniveriste fankatoavana dia lazainy fa eken’ny fanjakana ihany koa ny lalam-piofanana momba ny lalàna ao aminy. Manana adidy ny mpianatra hitaky sy hanamarina ny fankatoavana azon’ireny oniversite tsirairay ireny.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “ONIVERSITE AZO ANTOKA: Isaky ny diplaoma amin’ny lalam-piofanana ny fankatoavana

  1. Pingback: ONIVERSITE AZO ANTOKA: Isaky ny diplaoma amin’ny lalam-piofanana ny fankatoavana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *