Socio-eco

JMJ MADA X: Efa vonona amin’ny fandraisana ireo mpivahiny ny “site d’acceil “ tsirairay


Anisany ivon-toerana mandray mpizaika be indrindra mandritra ny JMJ MADA andiany faha-10  ny ao amin’ny oniveriste “Athénée Saint Joseph Antsirabe”  na ASJA. Am-panomanana tanteraka ny fandraisana ireo mpivahiny ity ivon-toerana ity amin’izao fotoana izao. Mpivahiny maherin’ny 5.000 no andrasana ho avy ao amin’ity toerana ity. Araka ny fanazavan’i Mopera Razafindrakoto Justin – tomponandraikitry ny site d’accueil ASJA fa avy amin’ny diosezy manerana ny Nosy no ho raisina ao.  Tanora 100 ka hatramin’ny 200 isaky ny efitranon-tsekoly no hiara-hipetraka  ao amin’ity “site” ity mandritra ny fivahinianan’izy ireo eto Antsirabe. Nohamafisin’i Mopera Justin fa mitokana ny lahy sy ny vavy. Nambarany ihany koa fa farahafakeliny 600 ny isan’ny vilany handrahoana sakafo ho an’ny ASJA manokana ary  mahatratra 12 taonina ny vary ho ampiasaina mandritra ny JMJ. Nomarihiny fa rahampitso 30 aogositra 2022 ny fandraisana ofisialy ireo mpivahiny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Ny alarobia 31 aogositra 2022 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny JMJ MADA X. Hiainga any amin’ny toeram-pandraisana misy azy avy ireo tanora ary hihazo an’i Mandaniresaka amin’io fotoana io. “Aorian’izay dia samy manana ny fandaminana ny toeram-pandraisaina tsirairay ary misy katesizy isan’andro isaky ny ivon-toerana. Hisy ihany koa ny làlan’ny hazo fijaliana”. Hanao diabe miainga avy amin’ny “site” misy azy avy ireo tanora ary ho any Antsahatanteraka  ny sabotsy 03 septambra 2022. “Amin’io fotoana io no hamintinina ny hetsika rehetra nataon’ny tanora”, hoy hatrany i Mopera Razafindrakoto Justin. Tsiahivina fa miompana fiarovana ny tontolo iainana ny JMJ MADA andiany faha-10. Nasain’ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT) ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ hanome fiofanana fanamafisana fahaiza-manao momba ny fiovan’ny toetr’andro sy fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Marihina fa tanora 30.000 no andrasana ho avy eto Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin’ny 04 septambra 2022.

Ra-Nirina/ Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *