Socio-eco

ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Hizara mivantana ny fanomezany any amin’ny traboina.


Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika ho an’ireo traboina. Manao antso avy amin’ny fitondram-panjakana ny ONG Ny Fanahy maha olona hanome alalana ny fiaramanidina hitondra ireo fanampiana ho an’ireo traboina vokatry tondra-drano. Nambaran’ny filohan’ny ONG, Ny Rado Rafalimanana ny 27 Janoary 2020 tamin’ny mpanao gazety fa iray andro aorian’ny faneken’ny fitondram-panjakana dia higadona eto Madagasikara io fiaramanidina io.

Araka ny fanazavany dia fanampiana avy any amin’ny vondron’orinasa izay tantaniny, ny fondation an’ny mpanjakan’i Dubaï ary avy amin’ny ONG isan-karazany ireo fanomezana ireo. Nilaza izy fa tsy hanolotra izany amin’ny BNGRC satria efa nanana olana tamin’ity biraom-pirenena misahana fitantanana ny loza sy tandidon-doza ity tamin’ny taona 2017. « Tsy tonga tany amin’ireo traboina tany Antalaha, izay lasibatry ny rivo-doza Enawo akory ireo fanomezana. Navela loa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina », hoy izy. Fanampiana ny mpiara-belona ity hoy izy ka mila tonga any am-pelatanany. Ny ONG ihany no hizara ireo fanampiana. Ankoatra izany dia nilaza Ny Rado Rafalimanana fa tsy tokony hangalana hetra ireo fanomezana ireo satria famonjena sady tsy misy resaka ara-barotra. Tsy hijanona amin’ny famonjena vonjimaika ireo ihany koa Ny Fanahy maha olona fa handray ny anjara tandrifiny amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa simba vokatry tondra-drano, araka ny fanazavan’ny filohany hatrany. Noho izany, handeha hitety ireo faritra voakasik’izany ny tenany miaraka amin’ireo tanora injeniera mpilatsaka an-tsitrapo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *