Socio-eco

ONG CARE INTERNATIONAL –PSHP: Mifanome tanana ho famonjena ain’olona marobe


Izay mitambatra vato. Ao anatin’ny firenena 25 marefo amin’ny loza voajanahary i Madagasikara. Vao tsy ela akory, roa taona lasa izay niaina loza mahery vaika ny firenena malagasy, toy ny rivo-doza Ava sy Eliakim, ny hain-tany ary ny valan’aretina kitrotro sy pesta. Noho ny fahatsapana fa mitovy ny sahan’asa atao amin’ny fanampiana ny maha olona dia nanapa-kevitra ny ONG Care International sy ny PSHP (Plateforme Humanitaire du Secteur Privé) fa hiara-hiasa. Notontosaina ny 12 desambra 2019 teny Andraharo ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, ho famonjena ain’olona marobe amin’ny alalan’ny sahan’asa iraisana no iarahan’ny Care International sy PSHP miasa manomboka izao ka hahazo tombontsoa voalohany amin’izany ny vahoaka malagasy. Raha ny fantatra dia nanomboka tamin’ny taona 1992 ny ONG no nandray anjara tamin’ny fanampiana ireo fianakaviana marefo amin’ny lafiny ara-tsakafo, rano, fidiovana sy fahadiovana fa indrindra ny fanampiana ny vehivavy ho mahaleo tena. Niitatra tamin’ny sahan’asa hafa izany taty aoriana dia ny fanampiana maha olona amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary, ny fiovan’ny toetr’andro. Raha ny PSHP, vovonana ivondronan’ireo orinasa tsy miankina, miorina na manana sampana eto Madagasikara no resahina dia mifototra amin’ny fanampiana ny olana no tena antom-pisiany satria mahatsapa ireo mpikambana fa manana adidy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny ara-tsosialy. Manoloana izany, voarakitra ao anatin’ny fifanarahan’ny roa tonta ny fifampizarana traikefa sy antontam-baovao momba ny fanampiana ny maha olona, ny fifanomezan-tana amin’ny famonjena ain’olona,faran’izay betsaka, raha sendra loza.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *