Socio-eco

OMBY BEVOHOKA: Efa azo fantarina amin’ny alalan’ny « échographie »


Mivoatra ny teknolojia. Afaka atao « échographie » ny ombivavy ahafantarana fa mitondra vohoka. Mandritra ny Foara iraisampirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana ary jono (FIA) no ampahafantarana voalohany ny fitaovana ampiasaina amin’izany. Ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana no nanafatra  « échographe ». Fantatra amin’ny alalan’ity fitaovana ity ihany koa ny antony mahatonga ny omby tsy mitoe-jaza na dia efa nampanarahana aza.  » Tombontsoa amin’ny fanaovana ny écho ny fahafantarana fa misy kiste ovarienne na kiste folliculaire ny omby. Rehefa fantatra izay dia afaka mandray fepetra, hitsabo azy amin’ny alalan’ny fandrindrana ny tsiripanentana », hoy i Dr Rakotondrainiarvelo Jean Philibert, mpitsabo biby miasa ao Vakinankaratra. Ezahina ho aparitaka manerana ny faritra ity fitaovana  ity ho fanampiana ny mpiompy, araka ny fanazavany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *