Socio-eco

NY FAKO : Miteraka olana saro-bahana raha tsy vita ny mitantana azy


Mamokatra fako manodidina ny 2,1 miliara taonina isan-taona isika olombelona maneran-tany. Vinavinaina hitombo 73% ny famokarana fako amin’ny taona 2050 araka ny navoakan’ny fandaharan’ny Fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE) tamin’ny alalan’ny « Global Waste Management Outlook 2024 ». Raha ho an’i Madagasikara kosa dia mamokatra fako manodidina ny 0,5 kilao isaky ny olona isan’andro .  Manodidina ny 1,2 tapitrisa taonina isan-taona ho an’ny fako matevina avy amin’ny tanàna. 30% monja amin’ireo fako no voaangona, ary ny ampahany betsaka noho izany tavela eny rehetra eny ka miteraka olana ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana. Manodidina ny 3 tapitrisa ny isan’ny mponin’ Antananarivo izay ahitana fako 1 500 taonina  isan’andro. Misy ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny fako amin’ny alalan’ny fanodinana sy fanaovana compost, saingy mbola voafetra ireo fomba ireo noho ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Kanefa na izany aza dia miezaka ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) amin’ny fitantanana ny fako. « Hotokanana tsy ho ela ny ozinina manodina fako ao Toamasina. Efa tonga ny fitaovana ary 60 taona isan’andro ny fako ho voahodina. Tsy niandry fotsiny ny fanjakana fa namatsy vola nividianana ny fitaovana. Hisy koa any Manadriana avaradrano amin’ity taona ity », hoy i Max ANDONIRINA FONTAINE, Ministrin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Azo amidy ny fako rehefa voaodina, toy ny zezika, entona fandrehitra. Sady miaro ny tontolo iainana no madio ny tànana rehefa voaodina ireo fako.

Nisy ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantana ny fako sy ny fiharia-karena mitsingerina aty amin’ny faritry ny Afrika Atsinanana ny 1 ka hatramin’ny 3 aprily 2025 eny Ivandry. Firenena 14 no mandray an-jara.  Fanatsarana ny angon’andraikitra, fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika ary fanamorana ny fandrafetana ny politika mifototra amin’ny angon’andraikitra mitombona mba hanafainganana ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy. Tanjona ny hisian’ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena amin’ny fitantanana lovainjafy ny fako. Eo ihany koa ny fifampizarana traikefa sy ny fahaiza-manao ary fandalinanana ireo  tranga azo alain-tahaka eo amin’ny samy firenena aty Afrika Atsinanana. Ankoatra izay ny hisian’ny fifanakalozana  mitondra any amin’ny asa mivaingana mba hafahana mandroso vahaolana amin’ny politikam-panjakana momba ny fitantanana lovainjafy ny fako.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *