Socio-eco

NOELY MIZARA FIFALIANA: Mpianatra 6000 nahazo fanomezana avy amin’ny kaominina Alasora


Nanomboka nitety ireo sekolim-panjakana ao amin’ny kaominina Alasora ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy  sy ny mpiara-miasa aminy ny alatsinainy 20 desambra 2021. Fizarana kilalao ho an’ireo mpianatry ny EPP no nataony tamin’izany. Hitohy mandritra ity herinandro mialohan’ny fety krismasy ity ny fizarana hafaliana amin’ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Mpianatra 6000 eny amin’ny EPP 12, CEG ary Lisea no hozaraina kilalao, vatomamy sy biscuit. “Hetsika fanaon’ny kaominina isan-taona ny noely mizara fifaliana. Mizara fifaliana ho an’ireo mpianatra ao anatin’ny sekolim-panjakana izahay. Mizara kilalao ho azy ireo. Rehefa faly izy ireo dia faly ny ray aman-dreny. Noho ny valanaretina dia nitety ireo sekoly izahay”, hoy Randriantsoa Jimmy.  Raha ny hita teny amin’ny EPP Ambatomalaza, Epp Amboaroy dia baolina no nomena ireo ankizilahy ary saribakoly ho an’ny ankizivavy miampy vatomamy sy biscuit. Nambaran’ny  Ben’ny tanàna fa tetibolan’ny kaominina madiodio no nanaovana ny hetsika “noely mizara fifaliana”. “30 tapitrisa Ariary no tetibola natokan’ny kaominina nanaovana izany”, hoy izy. Laharam-pamehana ho an’ny kaominina Alasora hatramin’izay ny asa sosialy ankoatra ny fanamboarana foto-drafitr’asa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *