Socio-eco

NOELY 2020: Nampahery ireo ankizy marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny Orange Solidarité


Sarobidy ny fifampizarana. Anisany manan-danja ho an’ny ankohonana ny fetin’ny noely. Noho izany indrindra dia mampiseho hatrany ny fiaraisankinany ny fianakaviamben’ny Orange Madagascar ho fampaherezana ireo ankizy marary eny amin’ny hopitaly sy ireo mpiasan’ny fahasalamana. Tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité dia nanatitra fanomezana teny anivon’ireo hopitaly eto Antananarivo ny mpilatsaka antsitrapo avy ao amin’ity orinasam-pifandrasain-davitra ity ny 16 desambra 2020.

Nozarain’izy ireo vatomamy, biscuit ary boky ireo ankizy tao amin’ny  hopitaly Befelatanana, hopitaly  Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) ary ny hopitaly Soavinandriana. Notolorana  gel hydroalcoolique, arovavaorona fampiasa amin’ny fandidiana ary gants en latex  ihany koa ireo tobim-pahasalamana telo ireo. Nohamafisin’ny filohan’ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie fa sarobidy ny fifampizarana sy ny firaisankina mandritra ny  fetin’ny noely sy ny faran’ny taona.

Nirina R.


One comment on “NOELY 2020: Nampahery ireo ankizy marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny Orange Solidarité

  1. Pingback: NOELY 2020: Nampahery ireo ankizy marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny Orange Solidarité - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *