Ho avy hanao fampisehoana eto Madagasikara i Tiakola ny 11 Jona 2025 izay atao ao amin’ny lapan’ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Mikalo ny gadona Rap ity mpanakanto Franco-Congolais 25 taona ity. Ny Nas production sy KP event no mikaraka ny hetsika ary tohanan’ny Orange Madagascar. Tonokira mitondra hovitra miabo ny ataon’i Tiakola. Ny rakikira faran’ity mpanakanto ity, miresaka ny tanora. Tsy hijanona fotsiny amin’ny fikarakarana ny fampisehoana ataon’i Tiakola fa hitondra ny fijery ho any tanora amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny mpikarakara. Izay ihany koa no nisafidianana ny hiaraha-miasa amin’ny Orange Madagascar noho izy mikarakara ny tanora. Nohamafisin’ny ao amin’ny Orange Madagascar ny fandraisany andraikitritra amin’ny ara-kolotsaina sy ny tanora. “ Ho fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana dia hisy ny fanentanana ny tanora ho tonga amin’ny fampisehoana mba tsy hanary ny fako plastika. Hisy ny toerana hanariana an’izany ka haverina ahodina”, hoy Tojo Rabemamy, mpandrindra ankapoben’ny Kintana Production. Anisany mitondra fahavoazana eo amin’ny tontolo iainana ny plastika ampiasain-tsika. Rehefa hariana eny rehetra eny ny plastika avy nampiasaina dia hitantsika manetsina ny tatatra ka miteraka ny fiakaran’ny rano eny amin’ny arabe. Azo atao tsara anefa ny manodina azy ireny ho azo ampiasaina indray. « Fanamarihana nataonay, rehefa vita ny fampisehoana dia feno plastika miparitaka narian’ireo mpijery hany ka ny mpikarakara ny maka izany. Mazava ho azy fa tsy hita ihany koa ny hanaovana azy afa tsy any amin’ny daba pako fotsiny ary mety ho tonga any an-tatatra ihany ny sasany», hoy izy.
Tsy fikarakarana fampisehoana ihany no ataon’ny Nas production sy KP event fa manao fampahafantarana momba ny tontolo iainana ihany koa ao anatin’ny tetikasa « Horizon Madagascar » miaraka amin’ny « le Green Challenge ». Hanatanteraka hetsika amin’ny andro manerantany momba ny tontolo iainana ny 5 Jona 2025 ireo vondrona tanora amin’ny tsy fanariana eny rehetra eny ireo plastika sy fanangonana azy ireny mba hoaodina. Hiarahan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ny Nas Prod sy KP Event. Tanjona, mba hipaka amin’ny tontolo iainanana ny hetsika ara-kolotsaina, hoy Tojo Rabemamy.
Ra-Nirina