Efa ho 15 taona izay, fanao mahazatran’ny Malagasy ny maka finday, manokatra MVola, ary mandoa vola. Ankehitriny, tena tsotra sy haingana ny fiatrehana ny andavanandro ho an’ny Malagasy, noho ny MVola. Raha te hanefa jiro amin’ny kaonty JIRAMA, na hanavao fandoavana Canal+, ampiasaina ny finday. Tsy ilaina intsony ny mivoaka ny trano na miandry ela amin’ny filaharana. Toy izany koa ny fividianana tapakila amin’ny seho na lalao toy ny ao amin’ny Bet261 dia azo tanterahina vetivety, amin’ny fanindriana in-droa na in-telo. Azon’ny tsirairay atao amin’ny fotoana rehetra, tsy voafehin’ny ora fiasan’ny birao izany.
Ny fandoavana amin’ny alalan’ny MVola dia mitombo isa ankehitriny, eny amin’ny tsena, supermarché, fivarotam-panafody, fivarotana entana sy kojakoja, sns. Tsy mila vola mivantana intsony ny olona fa MVola no ampiasaina. Mahatonga fiainana mora sy haingana izany, tsy amin’ny fividianana entana fotsiny, fa hatramin’ny fitaterana koa: taxi, taximoto, parking… Lasa fomba fiaina ho an’ny Malagasy maro ny MVola, ahafahana manao zavatra rehetra am-pilaminana sy haingana. “Fantatray fa manan-danja ny asa tsirairay. Ny andraikitray dia ny manampy ny Malagasy amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny alalan’ny vahaolana fandoavam-bola mora azo, mahomby, ary mifanaraka amin’ny tena filàny. Hanohy hanatsara hatrany izahay, amin’ny fanajana sy fihainoana ny filan’ny tsirairay.”, hoy i Louis-Ollivier Favot, Tale Jeneralin’ny MVola
Fanakaikezana ny vahoaka sy ny fanjakana
Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bolam-panjakana (Trésor Public), azo aloa amin’ny alalan’ny MVola ny hetra. Nandany fotoana teo aloha ny fandoavana izany kanefa lasa tsotra sy haingana ankehitriny. Miteraka mangarahara kokoa amin’ny fifandraisan’ny olom-pirenena sy ny fanjakana izany. Efa azo atao amin’ny MVola ihany koa ny fandoavana latsakemboka ao amin’ny CNaPS, amin’ny alalan’ny tranokala www.cnaps.mg na amin’ny rindranasa CNaPS Mobile. Nambaran’ny CNaPS izany fivoarana izany nandritra ny hetsika « CNaPS IMPACT – L’innovation sociale en action », natao tao amin’ny Novotel Ankorondrano ny 23 jona lasa teo. Izy io dia dingana lehibe amin’ny fanamorana ny fiainan’ny orinasa sy ny olon-tsotra, sady manohana ny tanjon’ny fanjakana amin’ny fanavaozana nomerika ny serivisy ho an’ny rehetra.
Hatramin’ny taona 2010, MVola dia nitondra vahaolana amin’ny fiainan’ny Malagasy andavanandro. Mifanaraka amin’ny fiovan’ny filàna sy ny zava-misy ny tolotra atolony. Nisy ny MPaymaka, fanehoana fa azo aloa amin’ny MVola avokoa ny faktiora, ny karama…
Ra-Nirina



