Socio-eco

MVOLA FÔ : Afaka manokatra kaonty Mvola ny mpanjifa manana laharana 032, 033, 037


Afaka manana kaonty Mvola ireo mpanjifa mampiasa tambazotra hafa, toy ny Orange, Airtel. Dingana lehibe ho an’ny Mvola ity tolotra vaovao ity ho fanamorana ny  fkirakirana vola eto Madagasikara. Nampahafantarina ny 18 aprily 2024, teny Andraharo ny tolotra Mvola Fô. Afaka manokatra kaonty Mvola avokoa ireo mpanjifa manana laharana 032, 037, 033.  Na aiza na aiza  dia afaka manokatra kaonty Mvola izy ireo. Tsy mila mandeha eny amin’ny toeram-pivarotana voatokana amin’izany fa na ao antrano aza dia afaka manao izany. Afaka manokatra kaonty Mvola ho azy ihany koa ireo mpanjifa manana laharana 034 sy 038. “Ao anatin’ny dimy minitra dia misokatra ny kaonty. Tsotra ny fanaovana azy: manao téléchargement ny application Super App Mvola ao amin’ny App store na google play. Rehefa vita izay dia misoratra anarana, ampidirina ny laharana na 033 na 032 na 037 na 034 na 038, alaina sary ny karapanondro ary manoratra  kaody miafina misy tarehimarika efatra (4). Misokatra avy hatrany ny kaonty Mvola rehefa vita izay. Manomboka eo afaka dia misitraka tolotra Mvola ireo mpanjifa vaovao. Afaka mametraka vola na misintona vola manerana ireo cashpoint izay anisany manana  tambazotra  lehibe indrindra. Afaka misitraka ireo tolotra maro ao amin’ny  Super application mvola ihany koa izy ireo”, hoy i Liana Ramiandrisoa Tomponandraikitry ny serasera ao Mvola. Nambarany fa mihoatra amin’ny application rehetra ny Super App Mvola satria manamora ny fitantanana ny fiainana andanavandro, toy ny fizaham-pahasalamana amin’ny alalan’ny Voiladoc, ny fahafahana mandoa faktiora isan-karazany, mandray vola avy any ivelany na mampiditra vola ao anaty kaonty Mvola avy amin’ny kaonty any banky… Misy fihenam-bidy 50 % ihany koa ny sarany fandefasana vola raha mampiasa ny application. “Ho fanamafisana ny fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny fanamorana ny fikirakirana vola ho an’ny daholobe (inclusion financière) ity tolotra Mvola Fô ity”, hoy i Louis-Oliver Favot, Tale Jeneralin’ny Mvola. Feno 14 taona amin’ny volana mey 2024 ho avy izao ny Mvola ka anisany dingana lehibe hanamarihana izany ity tolotra vaovao  sy fisokafana amin’ny tambazotra hafa ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *