Socio-eco

MVOLA : Afaka manao fizaham-pahasalamana amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza amin’ny alalan’ny application Voiladoc


Afaka mampiasa ny application Voiladoc ny Malagasy ankehitriny. Application miompana amin’ny “télémédicine”, ahafahan’ny Malagasy manao fizaham-pahasalamana ampitain-davitra na “téléconsultation”, mamandrika fotoana hihaona  mivantana amin’ny mpitsabo ny Voiladoc. Sehatra iray ahafahana mividy  ireo fanafody omen’ny mpitsabo, amin’ireo tranom-pivarotana fanafody hita ao anaty application Voiladoc ihany koa. Nampidirina ao anatin’ny Super Application Mvola ity  application momba ny fahasalamana ity ka afaka misitrika ireo tolotra ireo ny mpanjifan’ny Mvola ary afaka aloa amin’ny alalan’ny Mvola ny saram-pizahana ka mora kokoa ny saran’ny fandefasana vola. Application mampivondrona ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana, toy ny mpitsabo, toeram-pivarotana fanafody, hopitaly… ny Voiladoc. Miasa tsy ankiato mandritra ny 24 ora sy 7 andro ity plateforme ity. “Tanjon’ny Mvola ny hanamora ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Manamora ny fisitrahana ireo tolotra momba fahasalamana ny fiarahamiasa amin’ny Voiladoc. Afaka manao fizaham-pahasalamana eo no eo, tsy mila mivezivezy ny marary, raha ilaina maika izany noho ny fisian’ity application ity. Afaka manao kômandin’ny fanofody ihany  koa ary afaka miantso dokotera ho any an-trano”, hoy i Ericka Verly, Tale misahana ny  fiarahamiasa ao amin’ny Mvola, nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tolotra Voiladoc, ny 17 aprily 2024, teny Andraharo.

Ankoatra izany, afaka mamantatra ny fidoboky ny fo, ny “tension”, ny fiasan’ny fitaovam-pisefoana ny Voiladoc noho ny fampiasana ny teknolojia vaovao, amin’ny alalan’ny “intelligence artificielle” na IA. Amin’ny alalan’ny fijerena ny tarehy, alaina sary amin’ny finday no hanaovana izany. Nanamafy i Emmanuel Samuel, Filoha Tale Jeneralin’ny Terra Innov SARL, orinasa misahana ny Voiladoc eto Madagasikara fa azo antoka tanteraka ny antotam-baovaon’ireo mpitsabo sy marary mampiasa ny Voiladoc ary manaja ny tsiambaratelon’ny asa amin’ny tontolon’ny fahasalamana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *