Zo fototra ny fahafahan’ny olon-drehetra miditra amin’ny tolotra ara-bola. Tao anatin’ny 15 taona, ny Mvola dia nanampy ny fahafahan’ny daholobe miditra amin’ny tolotra ara-bola. Mihoatra ny 15 tapitrisa ny kaonty ara-bola amin’ny finday nisokatra tao anatin’izay fotoana izay. Nanamora ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday ihany koa ny fiarahamiasa teo amin’ireo « Cashpoint » mihoatra 50.000 sy mpivarotra mihoatra ny 10.000 manerana an’i Madagasikara. Nanomboka tamin’ny 2010, manampy ny tsirairay, na an-tanan-dehibe na ambanivohitra, amin’ny fandefasana vola, fividianana entana, fandraisan-karama fa indrindra amin’ny fitantanana ny fandaniana, amin’ny fomba tsotra sy azo antoka ny Mvola. « Tao anatin’ny 15 taona, ny Mvola dia niara-nivoatra tamin’ny Malagasy. Tsy ho tanteraka izany raha tsy noho ny fitokisan’ny tsirairay sy ny fanoloran-tena avy mpiara-miasa rehetra. Mino izahay fa ny fahafahana miditra amin’ny tolotra ara-bola dia zo fototra ho an’ny rehetra. Hiaraka isika hanohy hanorina hoavy ara-drariny kokoa, misy fandraisana anjara ho an’ny rehetra, ary feno firaisankina ho an’ny firenentsika », hoy i Louis-Olivier Favot, Tale Jeneralin’ny MVola.
Tolotra mifanaraka amin’ny fiainana andavanandro
Mpanjifa mihoatra ny 3,5 tapitrisa no afaka nameno ny tsy ampy tamin’ny fandaniana tampoka na afaka nanomboka tetikasa tamin’ny alalan’ny Mvola Avance, findramam-bola 100 % amin’ny finday sy nomerika. Mahatratra 32 tapitrisa ny « Avance » efa nomena, araka ny fanazavana tao anatin’ny famppitam-baovao avy amin’ny Mvola. Raha ny amin’ny tahiry kosa, mihoatra ny 1,1 tapitrisa ny kaonty efa nisokatra izay manampy ny tsirairay hanangana ny hoaviny amin’ny fomba manokana. Mitohy ny tantara ka manomana tolotra vaovao sy manavao kokoa, ary mametraka ny fiantraikany sosialy sy ny fifandraisana amin’ny Malagasy tsirairay ho ivon’ny asa ataony ny Mvola.
Mpanampy mavitrika amin’ny fiaraha-monina sy ny mpiasa
Ao anatin’ny fototry ny asa ataon’ny Mvola ny firaisankina sy ny fiahiana. Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa « cash transfer », olona marefo mihoatra ny 200 000 no nahazo fanampiana mivantana tamin’ny taona 2024, indrindra taorian’ny vanim-potoana krizy na amin’ny tetikasa sosialy izay tanterahina miaraka amin’ny mpiara-miasa amin’ny sehatra. Noho ny tetikasa « M’Hetsika », mihoatra ny 17 ny toeram-pilalaovana fanatanjahantena vita tamin’ny faritra samihafa. Mamela ny tanora hihaona, hilalao ary hifandray amin’ny hafa amin’ny sehatra azo antoka sy misokatra ho an’ny rehetra ireo toerana ireo. Manampy ny tanora hianatra sy hahatakatra ny fitantanana ara- bola ihany koa ny orinasa, amin’ny alalan’ny fampielezana fahalalana ara-bola. Hanabe sy hizara ny fomba fanao tsara amin’ny fitahirizana vola, amin’ny fanaovana safidy andraikitra, ary amin’ny fananganana hoavy amin’ny fitokisana no tanjona amin’izany. Mbola manamafy ny faniriana hanao fiantraikany tsara, ho an’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ny fanamarinana « B Corp » azon’ny orinasa. Ankoatra izany, manolo-tena ihany koa hikolokolo ireo izay mandray anjara amin’ny fahombiazany isan’andro ny orinasa. Isan’ireo nahazo fanamarinana « Top Employer 2024-2025 » ny orinasa izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fiainana tsara omena ny ekipa, ny fihainoana sy ny fampandrosoana azy ireo.
Ra-Nirina