Socio-eco

MPISEHATRA ARA-TOEKARENA: hanampy azy ireo hahita fiarahamiasa any ivelany ny SIAE


Tontosaina  nanomboka ny 13 oktobora 2022 ka hatramin’ny 16 okotobra 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny « Salon international des acteurs économiques »  na SIAE. Mpisehatra ara-toekarena miisa 200 no manao varotra fampirantiana eny an-toerana mandritra ny efatr’andro.  « Misy amin’ireo mpandray anjara no avy any Mayotte, Dubai, Tanzanie, La Réunion ». Ho fampahafantarana ny vokatra  na tolotra omen’ny mpandray anjara sy hampifandraisana ireo samy mpandraharaha na tompona orinasa no tanjon’ny hetsika. “ Ankoatra ny varotra fampirantiana dia hisy ny atrikasa hifandimbiasan’ny mpandray anjara izay miompana amin’ny torolalana atao ahafahana mamaly ny tolotra any ivelanyHh Ankoatra izany diaAnkk aa sy  ny fihaonana BtoB hifandraisan’ireo samy mpandraharaha na mpitantana orinasa”, hoy Rasoamalala Bako, Talen’ny tetikasa SIAE. Voarakitra ao anatin’ny tranokalan’ny SIAE  ny tolotra rehetra omen’ny mpandray anjara. « Izany no natao dia ahafahan’ny orinasa avy ivelany mitady fiarahamiasa”, hoy izy. Ny RIANO Agency sy ny  federasionan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ity hetsika iraisam-pirenana  ho an’ny mpisehatra ara-toekarena ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *