Congé navadika fanomezana. Nanatitra fitaovana ho an’ireo mpisehatra miady amin’ny COVID-19 ny solontenan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny CNAPS ny 09 septambra 2020 teny amin’ny CCO Ivato. Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo fanomezana toy ny fiarovana ny volo, solomaso, visière, masque, blouse, surblouse, fiarovana ny kiraro, ny gel disinfectant… “Ny mpiara-miasa rehetra izay voan’ny corona virus tao amin’ny CNPAS dia nahatsapa fa voakarakara, ary ny mpiara-miasa izay miasa miady amin’io valanaretina io dia nanampy ny vahoaka Malagasy ary tao anatin’izany ny mpiasan’ny CNAPS. Isaorana an’Andriamanitra fa tsy nisy na iray aza narary mafy fa sitrana daholo izy rehetra. Amin’izao fotoana izao vitsivitsy sisa fa efa an-dalam-pahasitranana avokoa. Nifampiresaka izahay tao amin’ny CNAPS hoe inona no ataontsika mpiara-miasa mba hanome fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa amin’ny ministeran’ny fahasalamana, ny CCO. Ny anjara birikin’ny mpiara-miasa dia ny congé no natao fanomezana”, hoy ny Tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy.
Araka ny fanazavan’i Ratsimbaharison, talen’ny serasera eo anivon’ny CNAPS hatrany “fa ireto tolotra ireto dia tsy avy amin’ny orinasa fa avy amin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny CNAPS. Ny fomba nahafahana nanatanteraka izao tolotra izao dia ny congé eo anivon’ny mpiasa tsirairay. Raha tokony ho sitrahana dia nomena an-tsitrapo ary navadika vola ahafahana nividy an’ireto fitaovana ireto dia izay nahazoana ilay 60 tapitrisa Ariary. Tao no nanome congé herinandro, congé iray volana ary nisy nanome roa volana”. Izay rehetra izay hoy izy dia mariky ny fifampitsinjovana satria ny fototry ny fiahiana ara-tsosialy dia ny fifampitsinjovana. Nambaran’ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja , mpandrindra ny CCO Ivato fa “ny ivon’ny tsimokaretina dia any amin’ny faritra avaratra ka mety hirona bebe kokoa any amin’izany ny fitsinjarana ireto fanomezana ireto”.
Nirina R.
Pingback: MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19 - www.deliremadagascar.com