Mitana anjara asa lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny mpiasam-panjakana. Nifampitaona teny amin’ny Colisée Ampasanimalo, ny sabotsy 22 ny «Association des Diplômés en Hautes études administration» na ADHEA ho fankalazana ny faha-heritaonan’ny fikambanana. Mampivondrona ireo mpiasam-panjakana ambony nivoaka teny amin’ny sekolim-pirenena manofana mpiasam-panjakana (ENAM) Androhibe ny ADHEA. Mahatratra 900 ny mpiofana nivoaka teny, araka ny fanazavan’ny Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, Filohan’ny Fikambanana. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’io fotoana ireo mpikambana vaovao, mpiofana andiany fahafito tao amin’ny ENAM.  Nanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny mpiasam-panjakana ihany koa ny hetsika nontanterahana ny sabotsy 22 martsa teo. Nifampizara ireo fomba fanao tsara amin’ny fanatanterahana ny raharaham-panjakana, ny fitantanam-bola, ny diplomasia, ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny fivoaran’ny teknolojia vaovao sy ny serasera ireo mpiikambana. Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana fa manana andraikitra hanantanteraka ny politikam-panjakana ny mpiasam-panjakana ambony. Ao no Ministra, Tale Jeneraly,  Sekretera Jeneraly, Tale, mpitantanana sampandraharaha eny anivon’ny ministera tsirairay. « Manana traikefa ary afaka mitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izahay. Isaorana ny fitondram-panjakana nametraka fitokisana aminay », hoy hatrany izy. Nanamafy i Ramanantsoa Andriamahafaly Rado fa olona efa mitana andraikitra eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana no miofana eny amin’ny ENAM.
Ra-Nirina