Socio-eco

MPIANATRY NY ISPM: Voka-pikarohana 320 haranty mandritra ny herinandro


Fenitra takian’ny rafi-pampianarana (LMD) ny fikarohana ataon’ny mpianatra. Ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fikarohana no tena olana raha ny fanazavan’ireo mpianatra eny ambaratonga ambony. Na dia eo aza izany dia tombony lehibe ho izy ireo ny fanaovana fikarohana mifanandrify amin’ny lalam-piofanana nosafidiany . Nambaran’ny tale misahana ny fitantanana sy ny vola ao amin’ny ISPM (Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar), Razafindrahety Aimée fa manome lanja ny fikarohana ny oniversite satria fampiharana ireo taranja any an-dakilasy, fanatsarana ny kalitaon’ny fahaiza-manaon’ny mpianatra, manazatra ny mpianatra ho vonona hiatrika ny sehatry ny asa fa indrindra lalana hizorana any amin’ny famoronan’asa. Tao ao anatin’izay 26 taona izay, efa fanaon’ny ISPM isan-taona ny fikarakarana varavarana misokatra, hampirantiana ny voka-pikarohan’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy. Tamin’ity taona 2019 ity dia voka-pikarohana 320 no haranty eny amin’ny foiben’ny oniversite Antsobolo, mandritra ny herinandro. Nanomboka omaly Talata 02 jolay 2019 ary tsy hifarana raha tsy ny Sabotsy 06 jolay 2019 amin’ny 3 ora sy sasany izany.

Zava-baovao

Haseho amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana avokoa ny sehatr’asa mifanandrify amin’ny lalam-piofanana hita ao amin’ny ISPM toy teknolojia, fanodinana ny sakafo, ny fambolena sy ny informatika, ny fiompiana, ny “électronique mécanique”… Zava-baovao amin’ity andiany ity ny voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra fito mianadahy, taona fahadimy ao amin’ny lalam-piofanana “électro-mécanique”. Nanamboatra fiara “hybride” izy ireo. Mampihena ny fandaniana “essence” ary azo baikoina. Azo ampiasaina amin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toerana tsy tongan’ny olombelona izy ity, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Ankoatr’izany dia santionany amin’ireo voka-pikarohana haranty mandritra ny varavarana misokatra ny “système expert”, manampy amin’ny fanapahan-kevitra, manampy ny mpitsabo amin’ny fijerena ny trangan’aretina, ny fanafody mifandraika amin’izany. Eo ihany koa ny fitrandrahana ny ondry ho lasa vokatra hafa ary manaraka ny filàn’ny tsena anatiny sy ny iraisam-pirenena, ny fampiasana ny informatika amin’ny sehatry ny fambolena ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra, ho fanafainganana ny fanamboarana fanafody. Manasa ny mpianatra afaka BAC, te hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony, ray aman-drenin’ny mpianatra, orinasa na mpampiasa vola liana amin’ny voka-pikarohana ny ISPM ho avy hitsidika ny varavarana misokatra. Nomarihin-dRamatoa Razafindrahety Aimée fa maro ireo orinasa mitady fiarahamiasa mba hitrandrahana ireo voka-pikarohana.

Nirina R.

site web : www.ispm-edu.com

Facebook : ISPM – Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar Officiel

Horonan-tsary


One comment on “MPIANATRY NY ISPM: Voka-pikarohana 320 haranty mandritra ny herinandro

  1. Pingback: MPIANATRY NY ISPM: Voka-pikarohana 320 haranty mandritra ny herinandro - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *