Mampihena ny trondro azon’ny mponina hohanina ny jono tsy ara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na (pêche Illicite Non déclarée et Non réglementée na pêche INN). Tombanana ho 14 tapitrisa dolara isan-taona ny vola mety ho very amin’ny alalan’ny « pêche INN » eto Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Stop illegal Fishing – fikambanana tsy miankina aty Afrika miady amin’ny jono tsy ara-dalà na, ny taona 2016. « Ezaka maro no natao teo anelanelan’ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2025 iadiana amin’ny jono tsy ara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na », araka ny fanazavan’ny Ministry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, nandritra ny fampahafantarana ny drafitra nasionaly iadiana amin’ny « pêche INN » na PAN-INN 2025 – 2029, ny 7 aprily 2025, teny Ampandrianomby. Nambarany fa tao anatin’ny efa-taona, tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny dia nohamafisina rafitra fanarahamaso ny jono. « Telo taona lasa izay tsy nanana sambo mpanaramaso ny jono afa-tsy roa isika. Lasa 23 izany ankehitriny. Tsy ho ela dia ho 25 ny fitambaran’ny sambo mpanaramaso ahafahana miady amin’ny fomba mahomby ny jono tsy ara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na », hoy izy. Nitombo 40 ihany koa ny isan’ny « inspecteur de pêche » raha toa ka 20 izany teo aloha. « Tokony hitombo 100 izany mba ahitana inspecteur de pêche avokoa ireo distrika manakaiky ny fari-dranomasina», hoy hatrany izy.
Fiarahamiasa amin’ny SADC
 Ankoatra izany, nohamafisina ny fiarahamiasa iraisam-pirenena sy isam-paritra amin’ny ady atao amin’ny jono tsy manara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na. Mpikambana ao amin’ny ivon-toerana handrindrana sy hanarahamaso ny jono (MCSCC) tsy ara-dalà na ao anatin’ny Vondrona  ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika Atsimo (SADC) i Madagasikara. Mifototra amin’ny teboka telo no sahan’asa ataon’ny MCSCC: fanohanana amin’ny fanangonana antontan-kevitra sy fifampizarana vaovao, fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny olombelona sy ny andrim-panjakana,  fandrindrana ny asan’ny ivon-toerana eo sehatra isam-paritra. « Mpitarika amin’ny ady atao amin’ny jono tsy manara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na i Madagasikara ka izany no antony hanohanan’ny SADC azy », hoy i Kefi Shula Alexander, mpandrindra ny tetikasan’ny SADC momba ny jono (PROFISHBLUE). Nilaza ny Ministry ny jono fa mampiasa ny sambo mpanaramaso ny jono matanjaka indrindra eo anivon’ny SADC ny Ministera amin’ny fanarahamaso ny jono tsy ara-dalà na.
Toe-draharaha ankehitriny momba ny jono tsy ara-dalà na
« Nanomboka ny 2021,  nanomboka tamin’ny fametrahana ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga dia tsy nahita tamin’ny gazety iraisam-pirenena niresaka an’i Madagasikara momba ny jono tsy manara-dalà na tsy voafanambara sy tsy voafehin-dalà na intsony ianareo. Tsy nahita gazety teto an-toerana niresaka jono tsy ara-dalà na ataon’ireo sambo aziatika eto Madagasikara ianareo. Matoa ny SADC,  ny FAO, ny masoivoho ny Etazonia niarahaba antsika dia noho ny ezaka nataon’ny Madagasikara », hoy hatrany ny Ministry ny jono namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny vokatry ny ezaka natao tamin’ny ady tamin’ny « pêche INN ». Nanamafy izy fa tondro azo andrefesana ezaka vita ihany koa ny tsy fisian’ny fanakianana ataon’ireo firaisamonim-pirenena momba ny jono tsy ara-dalà na eto amintsika « toy ny teo aloha ». Eo ihany koa ny fandalinana ara-tsiantifika izay manamarina ny fahasalaman’ny tahirin-trondro. Ohatra amin’izany hoy izy ny fiverenan’ny « mérou » any amin’ny faritra Nosy-Be. Ahitana trondro lehibe any amin’ny tapany Avaratra Atsinanana. Raha ny tombana nataon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO) tamin’ny 2018 dia mitentina 24 miliara dolara ny vola mety ho very amin’ny alalan’ny jono tsy manara-dalà na  tsy voafanambara sy tsy voefehin-dalà na manerantany. Manodidina ny 1,2 milliara dolara izany aty Afrika. Raha ho an’ny faritry ny SADC dia manodidina 500 tapitrisa dolara.
Ra-Nirina