Socio-eco

MPANJIFAN’NY AIRTEL MONEY: Afaka mametraka na maka vola eny amin’ireo masoivohon’ny Banky Baobab


Manana tombony kokoa. Anisany manamora ny fahafahan’ny rehetra mikirakira vola ny fisian’ny “mobile money” na fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday. Ho fanatsarana ny tolotra fikirakirana vola  dia nifanatona ny Airtel Money sy ny Banky Baobab. Afaka maka na mametraka vola eny amin’ireo masoivohon’ny Banky Baobab manerana ny Nosy ireo mpanjifan’ny Airtel Money manomboka izao raha toa ka masoivoho valo teto Antananarivo fotsiny izany tamin’ny voalohany.

Manana tombony kokoa ireo mpanjifan’ny Airtel Money satria afaka maka vola mihoatra ny eny amin’ny toeran-kafa (cash point) sy am-pilaminana. Ho an’ireo mpanao “cash point” kosa indray dia afaka maka vola na manatitra vola na mamahana ny kaotim-bolany  eny amin’ny Baobab ihany koa izy ireo. “Mifanaraka tanteraka vinan’ny Airtel Money ho fampisitrahana ny rehetra ny fikirakirana vola na manana kaonty eny amin’ny banky na tsia, na aiza na aiza misy azy, ny fiarahamiasa amin’ireo rafitra misehatra amin’ny fikirakirana vola. Anisany tetika mahomby ity fiarahamiasa amin’ny Baobab ity”, hoy i Eddy Kapuku, Tale  Jeneralin’ny Airtel Madagasikara. Nanamafy ihany koa i Sandrine Mayindombe, Tale Jeneraly Lefitra ao amin’ny Banky Baobab fa dingana lehibe ny fiarahamiasa amin’ny Airtel Money  ary manamporofo ny fahavonan’izy ireo ny fanomezana tolotra mora ampiasaina, azo antoka sy ho an’ny olom-pirenena malagasy rehetra. “Faly izahay manome tolotra  hanamora ny fampiasam-bolan’ireo  mpanjifa , na aiza na aiza misy azy ireo, amin’ny alalan’ny finday”, hoy izy. Anisany tombony azon’ny mpanjifan’ny Airtel Money ihany koa fisitrahan’izy ireo tolotra hafa omen’ny Baobab toy ny findramam-bola ho fanatsarana ny fampiasam-bola na filàna ara-bola.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *