Socio-eco

MPANDRAHARAHA SY MPONINA AO MANAKARA : Mitondra fampandrosoana ho an’ny fandraharahana sy ny manamora ny serasera ny Wifiber


Asa goavana no natao tao anatin’ny volana vitsivitsy ho fanatsarana ny kalitaon’ny tambazotra Orange. Mbola mitohy ny fanamboarana foto-drafitr’asa ka toerana 1000 mahery manerana an’i Madagasikara no hametrahana izany mandra-pahatongan’ny taona 2025. Tany amin’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy indray ny delegasion’ny Orange, notarihan’i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny orinasa  no nanao fitsidihana mba ahafantarana bebe kokoa ny filàn’ny mpanjifa. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha  sy mponina tao Manakara izy ireo ary nihaino ny hetahetan’izy ireo, ny 27 jolay 2023. Tamin’io fotoana io ihany koa no nampahafantarana ny Wifiber, “connexion internet” tsy misy fetra, tsy mihena ny hafainganam-pandeha. Mety tsara ho an’ny fandraharahana, indrindra ny sehatrin’ny lavanila ny  Wifiber Pro noho izy azo ampiasaina amin’ny fifaneraserana  manerana an’izao tontolo izao, amin’ny fotoana rehetra. Ho an’olon-tsotra kosa dia haingana kokoa ny fahazoana “fichier” raha mampiasa Wifiber. Mety tsara  amin’ny fanarahana horontsary sy ny maro hafa amin’ny alalan’ny streaming ihany koa.

Efa ahitana ny Wifiber  eto Antananarivo, Fort Dauphin, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Sambava, Antsirabe, Nosy Be, Antsiranana, Antalaha, Morondava. “Mihaino hatrany ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa aminay izahay ary vonona hatrany hamaly ny filàn’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fanamboarana foto-drafitr’asa  momba ny fifandraisan-davitra ho an’ny mponina sy ny mpandraharaha  sy fanomezana azy ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana no hanehonay ny anjara asanay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy i Frédéric Debord. Nampatsiahy ihany koa ny ekipan’ny Orange fa  manafaingana ny fisitrahan’ny rehetra mikirakira vola ny fisian’ny Orange Money. Afaka mividy fahana, mandefa na maka vola ny mpanjifa, manangana kaonty tahiry sy ny maro tsy voatanisa ireo mpanjifa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *