Hisarika mpizahantany ho avy eto Madagasikara. Io no tena kendren’ny fifaninana “Miss Tourisme Madagascar”. 15 mirahavavy no hiatrika ny dingana famaranana rehefa avy nandalo fifantenana tamin’ ny alalan’ny sivana notakiana toy ny hatsaran-tarehy amam-bika, salan-taona teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona, fahaizana ny teny frantsay sy ny tontolon’ny fizahantany eto amintsika. Ny alin’ny 19 Oktobra 2019 eny amin’ny Carlton Anosy no hifidianana ny iray amin’izy ireo, ho lasa masoivohon’i Madagasikara amin’ny lafiny ny fizahantany. Nambaran’ny mpikarakara nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 18 septambra 2019 teny Antaninarenina fa hampahafantatra ireo toerana mampiavaka an’i Madagasikara indrindra ireo toerana mbola vitsy no mahalala azy izay ho lany “Miss Tourisme Madagascar” eo. Nanampy fanazavana ihany koa ny filoha lefitra mikarakara ny hetsika, Lamarre Claudia fa ankoatra ny fampahafantarana ny ireo toerana azo tsidihana dia hanentana ny mponina ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny zava-boahary ihany koa ny voalohany amin’izy 15 mirahavavy. “Handray anjara ihany koa izy rehefa misy hetsika momba fizahantany na eto an-toerana na any ivelany. Ny efa fantatra izao dia fandehanana any Londres amin’ny volana novambra 2019”, hoy ramatoa Lamarre Claudia.
Tsapan’ny mpikarakara fa anisany fanoitra lehibe hampandrosoana ny firenena malagasy ny fizahantany ka izany indrindra no antony nanaovana azy ity. Miray hevitra amin’izany ihany koa ny orinasa Telma, ny hotely Pousse-pousse ary ny English Course ka manohana ny hetsika. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa niaraka tamin’ny mpikarakara ny “Miss Tourisme Madagascar” izy ireo ny marainan’ny 18 septambra 2019 lasa teo.
Lynda A.