Socio-eco

MISS MADAGASCAR 2020: Ho tanterahana amin’ity volana jolay ity ny famaranana lehibe


Efa voafaritra ny daty. Noho ny zava-misy ankehitriny, nanapa-kevitra ny komity nasionaly misahana ny Miss Madagascar (CNMM) fa hizara roa ny dingan’ny famaranana hifidianana ny Miss Madagascar taorian’ny fandinihana ny fomba rehetra azo atao.  Atao amin’ny alalan’ny  fandefasana horonantsary amin’ny  aterneto (amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera sosoialy) ny dingana manasa-dalana. Ny 01 jolay 2020 no nanomboka izany ary tsy hifarana izany raha tsy ny 08 jolay 2020. Nisy fandefasana horonantsary novokaran’ireo mpifaninana izay narahina toromarika avy amin’ny komity.  Ahitana ireo mpifaninana mampiseho ny fitafy ara-drazana  sy fianjaika an-drenivohitra io horonantsary io ary hahazoana naoty.  Ny 17 jolay 2020 manomboka amin’ny 12 ora atoandro, eny amin’ny Arena Ivandry kosa ny famaranana lehibe no ho tanterahana.

Araka ny fanzavan’ny komity fa 17 ny isan’ireo mpifaninana handray anjara amin’ny Miss Madagascar 2020. Nahitana solontena avy ny faritra: Vatovavy Fitovinany, Anosy, Amoron’i Mania,  Matsiatra Ambony, Vakinankaratra, Diana, Ihorombe, Sofia, Analanjirofo, Boeny, Atsimo Andrefana, Analamanga, Sava, Betsiboka, Menabe, Atsinanana ary miampy Miss Diaspora iray.  Na dia nisy aza ny fiovan’ireo dingana dia notazomina ihany ireo fanapahan-kevitra sy fandamanina ka nandefasana “lamba fisalotra”, fitafy fianjaika an-drenivohitra sy entina eny amoron-dranomasina ary karazana kojakoja ilaina amin’ny endrika sy taovolo avy amin’ny Vero Vero  ny mpifaninana tsirairay avy. Vola mitentina 100.000 Arary kosa no nomena azy ireo amin’ny famokarana ny horonantsary ho alefa amin’ny aterneto.

Nirina R.


One comment on “MISS MADAGASCAR 2020: Ho tanterahana amin’ity volana jolay ity ny famaranana lehibe

  1. Pingback: MISS MADAGASCAR 2020: Ho tanterahana amin’ity volana jolay ity ny famaranana lehibe - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *