Nodimandry teo amin’ny faha 75 taona niainana i Ranaivoson Nysà na i Ný. Nitondra ny anarana Ratsifehera moa izy vokatry ny fanambadiana tamin’i Ratsifehera Léon, izay zana-drahalahy sady taizan’ny CSR nanana ny nahaizy azy Ratsifehera Arsène.
Ny taranja lomano no nandanian’i Nysà ny ampahany be indrindra tamin’ny fialamboly ivelan’ny fianarana. Tompondaka tamina fifaninanana maro izy na teto amy firenena na teo amin’ny iraisam-pirenena. Fa ny sokajy lomano mitsilany na lamosina (DOS) no tena talentany sy nahazoany amboara sy medaly maro! Tao amin’ny Club an’Antsahamanitra no nandraisany anjara tamin’ny fifaninanana teto an-toerana. Nahazo tompondakan’i Madagasikara izy, ary tsy nijanona teto an-toerana izany fivelaran’ny lomano malagasy izany fa nahazo tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana koa Ranaivoson Nysà.
OSSUM (Office du Sport Scolaire et Universitaire de Madagascar).
Tsy adinoina koa anefa fa ny OSSUM no tena niandohan’i Nysà sy namolavola azy. Fony izy vao niditra kilasy faha 6 tao amin’ny lycée Rabearivelo Antanimalalaka no tsy nitsahatra nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka niantsorohany ny dossard Rabearivelo sy ny ASL Asssociation Sportive des Lycées (Rabearivelo Gallieni Jules Ferry) rehefa mivoaka an’Antananarivo mifaninana any amin’ny faritany ny lycées teto an-drenivohitra. Nandresy teo amy zato metatra mitsilany (DOS) hatrany Nysà ary sahirankirana ihany ny zandry taty aoriana nanasahala na nanamontsana ny zava-bitany.
Teo amy taranja hafa olontokana haiady dia namiratra koa i Nysà teo amy Judo, ary efa nahazo tompondakan’i Madagasikara tamy sokajy nisy azy izy tamin’izany. Teo amy sport collectif kosa dia nilalao volley-ball tao amy ny Club Hasindrazana izy ary efa nahazo tompondakan’i Madagasikara indimy izany ekipa izany. Niara-nilalao tamin-dry Baovola sy Razaka Harimboahangy izy. Mpankafy spaoro aotomobilina koa Nysà fa teo anilan’i Léon vadiny hatrany nitondra ny fiara Peueot 405 Mi16.
Taorian’ny baccalauréat tao amy lycée Rabearivelo dia nanao ny ambaratonga ambony lalam-piofanana Gestion teny Ankatso i Nysà. Nahazo diplaoma ambony tandrify izany, izay nanome alalana azy ho tonga agent-cadre de banque tao amy BFCMM izay lasa BFV taty aoriana.
Niteraka roa lahy ary manana zafy telo i Nysà. Ireo no kamboty nilaozan’izy sy Léon any amy varotsimifody. Miombona alahelo amin’ny fianakaviana ny fanoratana eto amin’ny Délire Madagascar.
Razaka Oliva