Socio-eco

MEDECINS DE L’OCEAN INDIEN : Ho maimaimpoana ny fitsaboana ao Fort-Dauphin


Marary 9000 ka hatramin’ny 10.000 no hahazo fitsaboana tsy andoavam-bola. Io no tanjon’ny « Médecins de l’Océan Indien » na M.O.I mandritra ny fandalovany eto Madagasikara. Taorian’ny iraka natao tany Ihosy  ny volana aprily 2019 dia miverina eto amin’ny firenena malagasy ny ONG hanantanteraka fitsaboana ho an’ny mponina ao amin’ny Fort-Dauphin sy ny manodidina ny 1 ka hatramin’ny 10 oktobra 2019. Mpitsabo 50 izay tarihin’i dokotera Koytcha avy amin’ny M.O.I no hiara-hisalahy handray ireo marary mandritra io folo andro io. Araka ny fomba fanao dia mizara roa mazava tsara ny iraka ka misy amin’ireo delegasiona hiparitaka amin’ireo sampandraharaha ao amin’ny hopitaly Taolagnaro toy ny sampandraharaha  misahana fitsaboana maso, ny orona, ny sofina, tenda (ORL), ny fo, ny fitaovam-pandevonan-kanina, ny “échographie” ary ny fandidiana.  Ekipa faharoa izay ahitana mpitsabo efatra, mpitsabo manokana momba ny zaza iray, mpitsabo mpandidy nify miisa dimy kosa hitety ny tanan’i Taolaganro sy ny manodidina, araka ny fanazavan’i dokotera Koytcha nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 23 septambra 2019 teny Ambohibao.

Tsy mijanona amin’ny fitsaboana ihany ny iraka ataon’ny « Médecins de l’Océan Indien » any Fort-Dauphin. Hisy ny famelabelaran-kevitra  natokana ho an’ireo mpitsabo ao an-toerana sy avy amin’ny hopitalim-panjakana any Toliary. Santionany amin’ny lohahevitra ho resahana amin’izany ny fihetsika atao amin’ireo mararin’ny diabeta, ny fandraisana an-tanana ireo miakatra tosi-drà, ny “hemorragies digestives”, sy ny maro hafa. Ankoatra izany, hanao fanentanana momba ny fikoloana  nify sy ny ativava amin’ireo ankizy eny amin’ny sekolim-panjakana miankina ny fanjakana (EPP) ny fikambanana.

Nambaran’ny filohan’ny M.O.I fa fanohanana avy amin’ny “filankevitry ny departemanta” any La Réunion, ny filoha tale jeneralin’ny orinasa SMTP Danil Ismael, i Aziz Badouraly, ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Tsaradia sy ny maro tsy voatanisa no mamatsy ara-bola ity tetikasa ity. Nohamafisin’i  Danil Ismael fa tsy raharaha an’olona iray ny fampandrosoana ny firenena fa  raharaha ho an’olon-drehetra. Noho izany, ilaina ny fifanomezan-tanana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *