Namafisina ny ara-tsosialy amin’ny didim-panjakana MECIE laharana faha 2025-080 nohavaozina. Dingana iray lehibe amin’ny fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara ny fahavitan’ny fanavaozana azy ity. Maneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hiantoka ny fampandrosoana ara-toekarena lovain-jafy. Miantoka ihany koa ny fangaharana sy fandraisana anjara mavitriky ny vahoaka amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra momba ny tontolo iainana.
Tamin’ny taona 1992 no nisy voalohany ny didim-panjakana MECIE ( Fanombanana Ara-tontolo Iainana sy Ara-tSosialy, ho fampifanarahana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo Iainana ) ary in-4 navaozina hatramin’ny taona 2004. Taorian’izay dia efa imbetsaka no nikasa hanavao izany ny tomponadraikitra isan-karazany kanefa betsaka ireo sakana ka tsy tanteraka. Ny taona 2018, ny Ministrin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) nanao antso ireo manam-pahaizana, ny fiarahamonim-pirenena hanolotra soson-kevitra amin’ny hanavaozana ny MECIE. Tsy nisy tohiny anefa izany. Nanadrana indray ny ONE (Office National de l’Environnement) ny taona 2020, saingy nijanona izany noho ny fahamaizan’ny foiben’ny ONE ka nahamay ireo antontataratasy. Tamin’ny taona 2021, nipoitra indray ny fomba fiasa stratejika vaovao izay mikendry ny fanavaozana ny didim-panjakana MECIE. Nisy ny adisisika amin’ny fakana hevitra amin’ireo ministera isan-karazany. Nanomboka ny fifampidinihana notarihan’ny MEDD sy ny ONE tamin’ireo OSCIE (Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives). Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’izy ireo hitondrana ny fanitsiana ny MECIE ny 25 sy 27 martsa 2024. Ankehitriny, tanteraka ny fanavaozana ny didim-panjakan MECIE laharana faha 2025-080 misy andininy 191 izay nampahafan-tarina tetsy Anosy ny 16 aprily 2025. « Ity fanavaozana ity mifantoka kokoa amin’ny ara-tsosialy, manaraka kokoa ny fenitra iraisam-pirenena. Fampandraisana anjara ny tomponandraikitra sy ny mponina misy ny tetikasa. Fitaovana fanovana fomba fisainana sy fomba fanao amin’ny tetikasa sy ny politikam-pampandrosoana ny MECIE vaovao ity », hoy i Max ANDONIRINA FONTAINE, Ministrin’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Ireo zava-baovao
- Fampifanarahana ireo fenitra iraisam-pirenena : fampifanarahana amin’ny politikam-piarovan’ny faritry ny fandraharahana ara-bola sy ny fifanarahana ary fifanekena iraisam-pirenena
- Fanasokajiana mazava ny tetikasa : fanasokajiana araka ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy sosialy
- Fanamafisana ny fomba fitantanana ny fizohiana sy ny fitsirihina : fametrahana rafitra hentitra mba ahazoana antoka ny fanatanterahana ny fepetra ara-tontolo iainana.
- Miantoka ny fandraisana ireo lokanady ara-tsosialy : fampidirana ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahaverezan’ny karazan-javamananaina amin’ny fanomboan’ny tetikasa.
- Fanajana bebe kokoa lokanady ara-tsosialy : fiarovana ny zon’ny mponina, fitantanana ny famindran-toerana tsy an-tsitrapo, fitsirihana ny loharanon-karena voajanahary ary ny fandraisana ny fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka.
- Fampidirana ny Fanombanana Ara-Tontolo Iainana sy Sosialy Stratejika (FTISS) : fitaovana vaovao ahafahana mampiditra mialoha ireo lokanady ara-tontolo iainana amin’ny fanampahan-kevitra ara-politika, drafitra ary fandaharan’asa.
- Fanamafisana ny fandraisan’anjara ireo voakasika : fandraisana an-jara mavitriky ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ireo marefo.
- Rafitra fiaraha-midinika sy mangarahara : miantoka ny fifanakalozan-kevitra mitohy amin’ny vahoaka. Mamome antoka ny fandraisan’ anjara feno ny olom-pirenena mandrindra ny zotram-panatanterahana ny fanombanana.
- Fampiharana feno ny ambaratongam-panalefahana : fepetran’ny tsy fisiana fahaverezan’ireo karazan-javamananaina sy fametrahana ny fomba fanonerana ho an’ireo fiantraika tsy azo ialana.
Ny fanatanterahana ity MECIE ity dia miankina amin’ny fandraisana anjara mavitriky ny rehetra, toy ny MEED, ireo Ministera isan-tsehatra, ny ONE. Ireo mpampiasa vola,  tsy maintsy manaraka ireo fepetra vaovao ara-tontolo iainana sy sosialy. Eo ihany koa ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ny vondron’olona eny ifotony voakasika amin’ny fakan-kevitra sy ny fizohina ny fiantraikan’ny tetikasa.
Ra-Nirina