Socio-eco

MARIKA TCL: Hahatongavana any Egypte amin’ny lalao famaranana ny CAN 2019


Mitohy hatrany ny fahatanterahan’ny nofinofy noho ny  fandraisan’anjaran’i Barea amin’ny CAN 2019. Mpankafy baolina kitra sy Malagasy mpanohana ny ekipam-pirenena iray indray no hisidina ho an’ny Egypte, hanaraka ny lalao famaranana. Nandray anjara tamin’ny lalao tombola, nokarakarain’ny UDITEC, mpaninjara ny marika TCL  » The Creative Life  »  eto Madagasikara Raselison Haja avy eto Antananarivo. An-jatony  ireo nandray anjara fa ny anarany no voasarika voalohany hahazo ny loka goavana.  Hiantohan’ny orinasa avokoa ny lany rehetra  ka ao anatin’izany ny tapakila handehanana fiaramanidina mandroso sy miverina, ny trano fonenana sy ny sakafo ary ny tapakila hijerena ny lalao. Nahazo ny loka faharoa, televiziona marika TCL 49 pouces  kosa i Sambelahatse, avy any Mahajanga ary nibata ny loka fahatelo (televiziona TCL 32 pouces) i Mounavarny Iliaz monina any Toamasina. Ankoatra azy telo mirahalahy dia olona enina hafa ihany koa nahazo loka toy ny sacs de sports, gourde ary maillot Barea. “Izay rehetra nividy televiziona marika TCL eny amin’ireo magazay mivarotra izany, manerana an’i Madagasikara dia afaka nandray anjara tamin’ny tombola”, hoy ny tomponandraikitry ny UDITEC nandritra ny fisarihana ny anaran’ireo tsara vintana, ny 11 jolay 2019.

Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany dia mitàna ny laharana faharoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny televiziona marika TCL. Azo antoka ny kalitaony ary mifanaraka filàn’ny mpanjifa  ny tolotra omeny. Ho an’ireo mividy izany eto Madagasikara dia mahazo antoka roa taona.

 Nirina R.


One comment on “MARIKA TCL: Hahatongavana any Egypte amin’ny lalao famaranana ny CAN 2019

  1. Pingback: MARIKA TCL: Hahatongavana any Egypte amin’ny lalao famaranana ny CAN 2019 - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *