politique

MARC RAVALOMANANA: Nisintona ny fitoriany


Ho fikatsahana ny tombontsoam-pirenena, nanapa-kevitra ny kandida Marc Ravalomanana ny hisintona ny fitoriana momba ny tsy fahatomombanana tamin’ny fifidianana 7 novambra 2018. Fitoriana miisa 208 no naterin’ny solontenan’ny kandida laharana faha-25 teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) omaly 20 novambra 2018. Nanatitra ny taratasy fisintonana izany indray ny solontenan’ny kandida androany 21 novambra 2018.

Mankasitraka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny kandida Marc Ravalomanana. Nilaza ny solontenan’ny kandida, Hasina Andriamadison fa  nanatri-maso sy nijanona 24 ora teny amin’ny CENI Alarobia tamin’ny fanarahana maso ny fikirakirana ny valim-pifidianana. Manoloana izany, “manaiky ny kandida Ravalomanana fa nanaja ny fangaraharana ny CENI”, araka ny tatitra nataon’ny tale fampielezan-kevitrany, Tsehenoarisoa  Rabenja teny amin’ny QG Antsakaviro androany maraina.

Nambaran’i  Tsehenoarisoa  Rabenja fa  misy amin’ireo manao fihetsiketsehana ny mitady  hanafoanana ny fifidianana filohampirenena. Ho fisorohana ny korontana, naniraka ny mpahay lalàna ny kandida laharana faha-25. “Tsy mankasitraka izany fanafoanana ny fifidianana tamin’ny 7 novambra 2018 ny kandida fa aleo handeha ny fihodinana faharoa hampazava ny safidim-bahoaka”, hoy hatrany izy. Ho tombontsoam-pirenena tokoa ve izany ny  fanapahan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana ka na dia nahita tsy fietezana maro tamin’iny fifidianana iny aza dia nosintonina indray ireo fitoriana?

Lynda A.

 

 


One comment on “MARC RAVALOMANANA: Nisintona ny fitoriany

  1. Pingback: MARC RAVALOMANANA: Nisintona ny fitoriany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *