Sport

MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mampivady ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatanjahantena


Nasiam-panovàna ny làlana hizoran’ireo atleta handray anjara amin’ny « Marathon International de Tana » (MIT) andiany faha-18. Tsy miova kosa anefa ny fitsipi-dalao sy ny loka hozaraina ho an’ireo mpandresy telo voalohany sokajy vehivavy sy lehilahy amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka karakarain’ny World Trade Center miaraka amin’ny federasiona Malagasy ny atletisma (FMA). Ny 21 oktobra 2018 no hanatanterahana izany ka eo amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny toerana fiaingana sy ny fahatongavana. Mirefy 42, 195 km ny halaviran-dalana hodiavin’ireo atleta. Ankoatra ireo atleta Malagasy dia hohasain’ny FMA handray anjara amin’ny fifaninanana , tahaka natao tamin’ireo andiany teo aloha, ireo atleta avy amin’ny federasiona Afrikanina toy ny avy any Ethiopie, Kenya… Eny amin’ny Vima Ankorondrano, eny amin’ny Ofisim-paritry ny fizahan-tany Analamanga (ORTANA), eny amin’ny FMA Alarobia ny toerana voatondro hisoratana anarana.

Andro maitso

Homena lanja tanteraka ny fiarovana ny tontolo iainana mandritra ny Marathon International de Tana andiany manaraka. Natokana ho andro maitso, tsy ampiasana fiara na moto ny alahady 21 oktobra 2018. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, ny ala ary ny haivoary, Rivo Rabenjamina fa tapaka teo anivon’ny filan-kevitry ny governemanta Malagasy fa ho atokana ho andro maitso ny alahady faha-telon’ny volana oktobra. Mamaritra izany ny didim-panjakana 2017-1084 tamin’ny 11 novambra 2018. Entanina ny rehetra tsy hampiasa fitaovam-pitaterana mandeha motera. “Miteraka fahasimban’ny sosona ozonina ny etona (CO2) avoakan’ireny fitaovam-pitaterana ireny. Miaro ny Ultra violet izay mahatonga homamadiana io sosona ozonina io. Efa goaka izy ity ankehitriny raha ny fanadihadiana natao. Vokany, mipaka ety an-tany io “ultra violet” io, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana, Ambinintsoa Noasilalaonomenjanahary. Entina hampihenana io etona io no tanjona amin’ny andro maitso.

Lalao dimy

Tsy hazakazaka lavitr’ezaka ihany no hitranga amin’ny MIT andiany faha-18 fa hifanindran-dalana aminy ihany ny fifaninanana hazakazaka 10 km “foulées ecolo”, ny “handirun” natao ho an’ireo olona tra-pahasembanana, ny “corporate” natokana ho an’ireo orinasa te hanandratra ny voninahitry ny orinasany amin’ny alalan’ny hazakazaka amin’ny halaviran-dalana 10 km. Manana anjara ihany koa ny ankohonana sy ny ankizy amin’ity lalao ity satria natokana ho azy ireo ny “maratoons”. Mirefy 1.5 km mihodidina ny araben’ny fahaleovantena sy Analakely ny halaviran-dalana amin’izany. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara Mercédès Ratsirahonana maherin’ny 2500 ny mpandray anjara handrasana.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *