Socio-eco

MANONDROALA: Manamora ny fanarahamaso ny fitantanana ny ala ny famokarana tao-sarintany


Mampiofana momba ny famokarana tao-sarintany sy ny fampiasana azy. Malaza tato ato ny doro ala. Manampy amin’ny famaritana ireo tebok’afo, ny fihitaran’ny afo, ny velarantany misy ala  ny sarin-tany  vokarina avy amin’ny sary  avy amin’ny zana-bolana. Azo arahin’ny besinimaro maso isan’andro ihany koa ny fivoarany izany. Nifampitaona teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza nandritra ny hetsika “MiaraManondroAla 2022” notanterahina ny 07 sy ny 08 oktobra 2022 ireo mpisehatra amin’ny famokarana tao-sarintany.  Nizara ny paikady nentiny tamin’ny famokarana tao-sarintany ny fikambanana Manondroala tamin’io fotoana io. Nifanakalo traikefa  momba ny famokarana tao-sarintany ihany koa ireo  samy mpisehatra.  Nozaraina tamin’ny “MiaraManondroAla 2022” ihany koa ny loka ho an’ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ny famokarana tao-sarintany (MapChallenge)  nokarakarain’ny Manondroala, fikambanana misehatra amin’ny fiarovana ny ala. 48 ny tao-sarintany voaray ary 26 mpandray anjara  tamin’ny fifaninanana. Karazana tao-sarintany momba fiarovana ny ala no novokarin’ireo mpandray anjara toy ny fivoaran’ny fandrafakofana ala eto Madagasikara, ny fahapotehan’ny ala, ny tebok’afo… “Fitaovana ilaina ny famokarana tao-sarintany amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana. Azo refesina sy azo tsapain-tanana sy manampy amin’ny fanarahana maso ny  tao-sarintany ary fitaovana hiarovana ny ala ho mahomby kokoa”, hoy i Angela Tarimy,mpandrindra ny fikambanana Manondroala. Ao anatin’ny sahan’asa ataon’ny Manondroala ny fanomezana fiofanana maimaim-poana momba ny famokarana tao-sarintany. Nisy tamin’ireo mpifaninana tamin’ny MapChallenge no efa nahazo fiofanana tamin’ny fikambanana taloha ka izao nampiseho ny sangan’asany  izao.

 Ny taona 2012 no nanomboka niasa  teo amin’ny  fiarovana ny ala ny Manondroala. Miara-miasa amin’ny vondon’olona eny ifotony (VOI) ny fikambanana. “Zava-dehibe ny famokarana sarintany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mora hanarahamaso ny resaka fitantanana ny ala ny sarintany. Mamokatra tao-sarintany ny Manondroala, mizara ny fanaovana izany. Rehefa mivoaka ny tao-sarintany dia mbola mampiofana ny olona mampiasa izany”, hoy Razafipahatelo Daulphin, mpikirakira tao-sarintany ao amin’ny Manondroala. Manasongadina ny teny malagasy no mampiavaka ny tao-sarintany vokarin’ny Manondroala, araka ny fanazavany. “Mampiasa ny voambolana ampiasaina eny ifotony ny sarintany vokarina satria ny eny ifotony no tena miaro, mahafantatra ny fampiasana ny ala, ny tsindry mianjady amin’io ala io. Raha misy fahasamihafana, elanelana eny  ifotony sy ny mpibaiko  dia ho sarotra ny fiarovana ny ala”, hoy izy.

Ra-Nirina

Horonantsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *