Socio-eco

MAMANY LAVA : Aretina mety ahazo ny vehivavy aorian’ny fiterahana


Hiaran’ny fanilikilihana ny vehivavy mamany lava. Aty amin’ny firenena mahantra sy andalam-pandrosoana no betsaka tratrin’ity aretina iray ity. Antony maro no mahatonga izany, toy ny halaviran’ny toeran-pitsabona ka tsy tonga ara-potoana rehefa hiteraka…Eo ny fahatarana amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra, tsy fisian’ny fitaovam-pitanterana mba ho tonga aingana sy ara-potoana eny amin’ny hopitaly, tsy fahampian’ny fitaovana sy fanafody sns…Misy ihany koa ny vehivavy kely dia miteraka izay azo lazaina fa tsy mbola vonona amin’ny famoahana zaza ny vatany. Amin’ny ankapobeny ny aretin’ny mamany lava mahazo ny vehivavy dia noho ny fahasarotana eo am-piterahana. Tery ny lalan-jaza na ela loatra izy no mihetsi-jaza ka miafara amin’ ny faharovitan’ny tatavia ka mitosaka any amin’ny toerana hafa ny pipy. Noho izany,  tsy mijanona intsony ao amin’ny tatavia ny pipy fa mikoriana any amin’ny fivaviana. Azo sitranina tsara anefa ity aretina ity amin’ny alalan’ny fandidiana raha tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana ny vehivavy tratrany. Olana anefa ny fahamenarana satria maimbo be ny vehivavy mamany lava, ahilikiliky ny fiarahamonina izy ireny ary tratry ny fanesoana mihitsy.  Anisany manampy ireo tratry ity  aretina ity ny UNFPA ( Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny Mponina) amin’ireo faritra valo hiasan’izy ireo, Analamanga, Fitovinany, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Androy Anosy, Atsimo Andrefana. Tsy ho vitan’izy ireo irery anefa ny hamongotra ny aretina fa miantso ny mpisehatra rehetra mba hiara-hientana sy hanao bebe kokoa ny ezaka rehetra.

Marihana fa ankalazaina ny 23 may ny andro iraisam-pirenena ho famongorana ny aretina mamany lava.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *