politique

MALAGASY ANY FRANTSA SY ERAOPA: Miankina amin’ny HCC ny fampandrosoana tena izy


Miray fo amin’ny mpiray tanindrazana ireo Malagasy mipetraka any Frantsa sy Eraopa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Manao antso avo amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) izy ireo mba hamoaka ny voka-pifidianana mitondra any amin’ny fahazavana fa tsy sanatria hampiverina an’ Madagasikara sy ny Malagasy ao anaty krizy sy fahamaizinana indray. Nambaran’ny iray tamin’izy ireo Francine Ranaivo, filoha mpanorina ny fikambanana AIFM (Alliance Internationale des femmes de France et Madagascar) fa eo am-pelantanan’ny HCC ny hahatanteraka na tsia ny fanantenan’ny Malagasy tamin’iny fifidianana filoham-pirenena 2018 iny.

Nilaza ireo Malagasy mipetraka any Frantsa sy Eraopa fa nisy lesoka tamin’ny fifidianana ary tsy nanaja ny asa nampandraiketina azy ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI). “Na dia misy aza ireo fahadisoana lalina izay helohin’ny lalàna, nahavita nifandom-bera tamin’ny kandida naharesy tamin’ny fihodinana faharoa ny filohan’ny CENI tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika”. Noho izany, “tsy azo ivalozana fa zon’ny vahoaka ny fanarenana ny fahadisoana nataon’ny CENI. Zon’ny vahoaka ny hanajàna amin’ny antsipiriany ny vato narotsany”, hoy hatrany izy ireo. Manamafy ihany koa ry zareo fa izay rehetra nanodikodina ny safidin’ny mpifidy na nampiasa ny fomba rehetra nanodikodinana izany dia mendrika homena sazy mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna nataony.

Mampahery ny Malagasy mpiray tanindrazana  izay miaina ao anatin’ny  toe-draharaha mampatahotra  ireo Malagasy mipetraka aty Frantsa sy Europe. Manome toky izy ireo fa manohana hatrany ny Malagasy mipetraka eto an-toerana ary mirary taom-baovao ao anatin’ny fanantenana tanteraka.

Lynda A.

 


One comment on “MALAGASY ANY FRANTSA SY ERAOPA: Miankina amin’ny HCC ny fampandrosoana tena izy

  1. Pingback: MALAGASY ANY FRANTSA SY ERAOPA: Miankina amin’ny HCC ny fampandrosoana tena izy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *