Mitentina iray tapitrisa dolara isan-taona, mandritra ny 30 taona ny famatsiam-bola azon’ny faritra arovana (AP) Makira sy Masoala. Manana vina hamatsy vola amin’ny faritra arovana miavaka miisa 30 manerana an’izao tontolo izao ny Legacy Landscape Fund hatramin’ny taona 2030. Tahirim-bola natsangan’ny ministeran’ny alemana misahana ny fiarahamiasa ara-toekarena ho famatsiam-bola maharitra hiarovana ny karazan-javaboahary, hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sy hanohanana ny mponina ny LLF. Avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny loharanombola amin’izany. Ankoatra ny famatsiam-bola avy amin’ny governemanta alemana, amin’ny alalan’ny banky ho an’ny fampandrosoanna KFW, ny NORAD, ny Agence française de développement (AFD) dia mandrotsaka vola ao ihany koa ireo orinasa sy fikambanana miahy ny maha olona. “Mampiavaka ity famatsiam-bola ity dia izy maharitra. Misy ny famatsiam-bola fa eo amin’ny dimy taona eo ihany no fetra fa ny famatsiam-bolan’ny Legacy Landscape Fund dia mandritra ny 30 taona. Entina hanampiana ny vondron’olona ifotony, hanatsarana ny fiainan’izy ireo, ny famtsiam-bola satria ny mponina ihany no mety ampiakatra ny tsindry mihatra amin’ny faritra arovana. Entina hanampiana azy ireo mba tsy hiankin-doha loatra amin’ny harena voanjanahary ny famatsiam-bola ary entina hanatsarana ny fitantanana, hividianana ireo fitaovana ampiasaina, hanohanana ireo sahan’asa ara-tsiantifika…”, hoy i Max Fontaine Andonirina, Ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovianjafy (MEDD), nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa LLF Makira-Masoala, ny 01 jolay 2024, teny Anosy. Manan-daja ny fiarovana an’i Makira sy Masoala satria hita ao amin’ireo faritra arovana roa ireo avokoa ny antsasa-manilan’ny zavaboahary mampiavaka an’i Madagasikara sy ny karazan-javamaniry tsy fahita manerantany kanefa 2 % monja amin’ny fitambaran’ny velarantan’ny nosintsika no misy azy. Ankoatra ny harena voanjahanary dia any amin’ny faritra avaratra- atsinanan’i Madagasikara ireto satria miantoka ny fiainan’ny mponina mipetraka manodidina azy, mamatsy rano sy sakafo ary herinaratra. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fivoaran’ny rivodoza sy misintoa ny etona karbona, lasa mivadika ho fidiram-bola entina hanohana ny mponina manodidina ihany koa. Mitantana ireto faritra arovana Makira-Masoala, any Avaratra Atsinanan’i Madagasikara, ny fikambanana amerikanina Wildlife Conservation Society (WCS) sy ny Madagascar National Parks (MNP).
Miaro ny zavaboahary sy manatsara ny velontenan’ny mponina
Mifototra amin’ny sahan’asa telo no ampiasaina famatsiambola azon’ny faritra arovana Makira sy Masoala. Voalohany, entina hitantana amin’ny fomba mahomby ny valan-javaboahary, ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-pitantanana mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena (fanajana ny zon’olombelona, fiarovana ny tontolo iainana, ny fahazai-manaon’ny ekipa mpitantana, fanaovana tombana ny vokatry ny fintantanana…). Tafiditra amin’ny sahan’asa voalohany ihany koa ny fanatsarana ny fomba fitantanana, toy ny fanarahamaso ny zavaboahary, ny fitsirihana ny ala sy ny fampiharana ny lalàna, ny fotodrafitrasa ampiasaina, ny fanarenana ny zavaboahary ao anaty ala. Faharoa, fanatsarana ny fitantanana ataon’ny mponina. Anisan’izany ny fanavaozana, fanatsarana, fanarahamaso ny fiarahamiasana momba ny famindram-pitantanana ny harena voanjanahary (TGRN) manodidina ny “ceinture verte” mifehy ny AP anankiroa, fanentanana eny anivon’ny sekoly sy ny tanàna momba ny fiovam-pihetsika iarovana ny karazan-javaboahary. Fahatelo, fanatsarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialin’ny mponina: tohana amin’ireo rojo-pihariana miteraka fidiram-bola, fanampiana ara-bola ireo tanàna, fanatsarana ny velontenan’ny mponina(fambolena, fiompiana) mahavita miatrika ny fiovan’ny toetrandro sy manaja ny karazan-javaboahary, fanatsarana ny fiainantsoa ara-tsosialy, toy ny tolotra ara-pahasalamana, fanabeazana…
Ra-Nirina