Socio-eco

MAISONS DIGITALES POUR LES FEMMES : Mety ho an’ireo vehivavy tsy manana diplaoma sy tsy an’asa ao amin’ny faritra SAVA


Ivon-toerana manome fiofanana mandritra ny fotoana maharitra ho an’ireo vehivavy tsy manana diplaoma sy tsy an’asa ny « Maison digitale pour les femmes ». Mampianatra azy ireo ny fianarana fototra, toy ny fomba fampiasana internet, rindram-baiko ilaina amin’ny asa, fandraharahana ary fanabeazana ara-bola ity fandaharan’asan’ny Orange Solidarité Madagascar (fikambanana misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny Orange) ity. Nanatrika ny fifanaovantsonia fanaovazam-piarahamiasa miisa roa  momba « Maison Digitale pour les femmes » ao Sambava ny Tale Jeneralin’ny Orange, Frédéric Debord sy Filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja ny 30 martsa 2023. Fiarahamiasa amin’ny kaominina renivohitr’i Sambava, ny JCI Sambava ary ny Orange Solidarité ny voalohany. Miaraka amin’ny  fitaleavam-paritrin’ny mponina SAVA, JCI Sambava ary ny Orange Solidarité kosa ny faharoa.

Fotodrafitr’asa vaovao

Nanolotra vatsy mitentina 4 tapitrisa sy 5 hetsy Ariary ( 4.500.000 Ariary) ho an’i Simonette Soalaza ny fikambanana misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny Orange tamin’io fotoana io. Kandida mendrika indrindra tamin’ny « Coup de coeur Ô féminin » izy ary entiny hanatsarana ny tetikasany, fiompiana akoho fakana nofo io tohana ara-bola  io . Nanatanteraka  fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa niaraka tamin’ny fikambanana Macolline ihany koa nyfikambanana ho fanatsarana ny Village Orange ao Ambodirafia Cap Est, ny 31 martsa 2023. Momba ny fanamboarana fotodrafitr’asa vaovao sy fanavaozana ny fiarahamiasa.  Ho fanazavana ny tanàna dia hahazo takamoa (lampadaire) miisa 20 ity tanàna ity. Hisy ihany koa fanamboarana toeram-pidiovana sy fahadiovana miisa roa. Torak’izay ihany koa ny “village Lépreux” ao Mahevadoany Antalaha. Hisy ny fanamboarana toeram-pisakafoana an-tsekoly (cantine scolaire), toeram-pidiovana sy fahadiovana,  fanazavana ny trano misy ny cantine. Eo ihany koa fanamboarana paompin-drano ho an’ny mponina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *