Niavaka ny fampisehoana nataon’ny MAGE 4 izay nokarakarain’i IVENCO tamin’ny alahady 25 Aogositra 2019 lasa teo. Nanaraka ny fanentanana nataon’ny mpiakarakara ny hanaovana lobaka « carreaux » ireo mpitia ny gadona rock indrindra ny mpankafy ny tarika MAGE 4. Saingy tsy miala amin’ny akanjo mainty natao ivelany sy fiakanjo manamarika ny maha-rock ny fampisehoana kosa anefa izy ireo. Fahombiazana noho izany ny hetsika satria tonga maro ireo mpitia ny MAGE 4. Anisan’ireo mpanakanto nijery ny fampisehoana ny tarika Kiaka, Jacquot mianakavy ao amin’ny tarika Green, tazana teny ihany koa i Colombes. Raitra ny fampisehoana na teo amin’ny fanamisam-peo izany na ny jiro natao ho haingon’ny fampisehoana. Nohirain’ny tarika MAGE 4 avokoa ireo hira nahafantarana azy hatrizay toy ny aza hitserana, ampy izay….teo ihany koa ireo hira vaovao. Hisy noho izany ny rakin-tsary vaovao maromaro hivoaka, hoy i Ken. Tsy hita tao Antsahamanitra nandritra ity fampisehoana ity i Lita. Araka ny vaovao azo dia tsy ho ao anatin’ny tarika intsony izy noho ny antony asa ataony any ivelany. Fahombiazana noho izany ny hetsika ary afapo ny mpikarakara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny teny an-toerana na teo aza ny fifamaliana kely sy saika nisian’ny fifampikasian-tanana teo amin’ny tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpijery vitsivitsy tamin’ny lalana tokony alehan’izy ireo nandritra fialan-tsasatry ny fampisehoana. Manome toky ny tomponandraikitry ny IVENCO fa hiezaka hanatsara hatrany amin’ny fikarakarana fampisehoana izy ireo. Naharitra adin’ny efatra ny fampisehoana nataonn’y tarika MAGE 4 ary nofaranana tamin’ny afomanga izany.
Nirina R.