Mihoatra noho ny teo aloha. Mampiodina vola haingana sy ao anatin’ny fotoana fohy ny sy ahazoana mpanjifa vaovao sy mpiara-miasa ny hetsika ara-barotra. Noho ny traikefa nananana tao anatin’ny 25 taona, noraisin’ny Madavision an-tanana ny fikarakarana ireo hetsika ara-barotra manan-danja sy manana ny toerany eto Madagasikara sy ny Ranomasimbe Indianina, toy ny Foire Internationale de Madagascar (FIM), ny Foire Internationale de l’Agriculture (FIA), ny Salon international de l’Habitat (SIH) ary ny Salon International du Transport, Logistique Manutention (SITLM). Hitondra zava-baovao ho an’ireo hetsika ireo ny mpikarakara amin’ny taona 2025 ka ho lasa « salon 2 en 1 » na ampiarahana ny lohahevitra mifameno. Ho famaliana ny hetahetan’ny mpandray anjara sy ahitan’ny mpanjifa zava-baovao mihoatra noho ny mahazatra no tanjona, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Manatevin-daharana ny FIM ny « Destockage Pro », hetsika ahafahan’ny orinasa na mpandraharaha mivarotra ireo « stock » sy manavao ny entana indray. Hanampy ny mpanjifa hahazo entana misy fihenambidy ihany koa izany. Ny volana mey 2025 no hanaovana izany. Ho hita mandritra ny SITLM ny « Motors Festival ». Ankoatra fampahafantarana ireo zavabaovao amin’ny sehatry fitaterana dia hampivondrona ireo fikambanana sy mpankafy « voitures de collection » sy « sport extrême » ny hetsika ho tanterahina ny vola jona 2025. Handravaka azy ny fampirantiana, fampisehoana momba ny lohahevitra sy atrikasa manodidina ny teknolojia vaovao sy ny fiara. Ankoatr’izay, mifameno ny sehatry fambolena sy fiompiana ary ny sakafo ka ampiarahana amin’ny FIA, atao ny volana septembre 2025, ny Salon International de la Gastronomie de Madagascar. Hanome sehatra ny fahaiza-manao amin’ny fikarakarana sy fanodinana sakafo avy eto an-toerana sy any ivelany, ireo zavabaovao momba ny fanodinana sakafo ny hetsika. Hisy ihany koa ny fampisehoana sy fifaninanana momba fikarakarana sakafo, « andran-tsira », ary fihaonana amin’ireo matihanina momba ity sehatra ity. Farany, miampy Salon International de la Technologie et de lnnovation ny SIH. Ankoatra ny varotra fampirantiana momba ny taotrano sy fanamboarana trano dia hanome sehatra ny teknolojia vaovao sy vahaolana maharitra miompana amin’io sehatra io, toy ny « maison connectée, impression 3D, ny angovo azo havaozina, ny foara ho tontosaina ny volana oktobra. Nanamafy i Koloina Ranaivo Rajaonarisoa, Tale misahana ny vola eo anivon’ny Madavision, fa tena ilain’ny mpivarotra sy orinasahetsika tahaka izao mba hahazoana mpanjifa vaovao fa indrindra mahafaka fahasahirana ny mpanjifa satria hita ao amin’ny toerana iray ny zavatra rehetra tena ilaina. Samy eny amin’ny Centre de Conférence Internationale (CCI) Ivato no hanatanterahana azy ireo
Ra-Nirina