Socio-eco

MADAGASCAR FASHION WEEK OCEAN INDIEN: Toerana miavaka no hanatanterahana ny andiany faha-7


Hampiantrano ny Madagascar Fashion Week Ocean Indien (MFWOI) andiany faha-7 ny Hôtel Sakamanga Ampasamandinika, ny 20 ka hatramin’ny 24 desambra 2021. Festival international momba kolontsaina sy  manome lanja ny tontolon’ny lamaody aty amin’ny ranomasimbe Indiana ny MFWOI. Ny fikambanana Jeunes Volontaires sy ny Fédération des créateurs  et designers Africains- Zone Océan Indien no mikarakara azy. Varotra fampirantiana, famelambelaran-kevitra, torolalana momba ny asa manodidina ny lamaody, filatroana no hita mandritra ny 5 andro. Hampiseho ny asa tanany amin’ny alalan’ny filatroana mandritra ny alin’ny 24 desambra 2021 ihany koa ireo mpamorona Malagasy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. “Noho ny valanaretina Covid-19, tsy afaka mandray anjara amin’ny hetsika ireo mpamorona avy amin’ny firenena manodidna ny ranomasimbe Indiana. Avy eto Madagasikara ihany no mandray anjara. Tsy latsaky ny 10 izy ireo”, hoy Rakotoson Alexandre, filoha mpanorina ny MFWOI.  Nambarany fa mampiavaka ny amin’ity taona ity ny master class, hiarahana amin’ny mpiara-miasa any ivelany, “maison de production parisienne”, manana masoivoho manerana ny firenena 18 eto Afrika. Hampahafantatra ny lafiny fandraharahana amin’ny lamaody ry zareo. Mbola tsy misy fiofanana ahatongavana “directeur artistique” eto amintsika hoy Rakotoson Alexandre. Hanampy ireo liana amin’izany ny Madagascar Fashion Week Ocean Indien. Natao ho an’ireo mpianatra eny amin’ny lisea  ihany koa ny hetsika satria hisy ny torolalana momba lalam-piofanana ara-koltoraly sy ny serasera. Ankoatra izany, raha ny fanaovana “brushing” no tena ahafantaran’ny besinimaro ny taovolo dia hampahafantatra misimisy kokoa ity sehatra ity ny MFWOI. Hahita taovalo amin’ny tantaran’ny kolotsaina  eto amin’ny kontinanta  afrikana ho entin’ireo mpilatro isika amin’ny 24 desambra”, hoy ny mpikarakara. Nilaza ny tale jeneralin’ny Sakamanga, Rouglan Guillaume Aina fa fotoana hanohanan’ny Sakamanga ny mpamorona Malagasy, ny tanora mpamorona  ny Madagascar Fashion Week Ocean Indien.  “Fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy no filozofian’ny Sakamanga”, hoy izy. Raha ara-tantara, efa 30 taona no nisiany teto Madagasikara. Mampiavaka ity hotely ity ny firafitry ny trano sy ny  fanaingoana ny trano amin’ny alalan’ireo taozavatra mamaritra ny  kolontsaina malagasy.

Ra-Nirina

HORONAN-TSARY

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *