Mpamorona lamaody manodidina ny folo eo handray anjara amin’ny “Madagascar fashion week océan indien”, andiany faha-efatra. Ny 27 ka hatramin’ny 31 aogositra 2018 eto Antananarivo no hanatanterahana izany. Hampiseho ny tontolon’ny lamaody noforoniny izay ampiasaina amin’ny vanim-potoana mafana ny Sandjay Sandjay Madagascar, ny ina ro ina, ny Emy ga, ny gasy créa, ny Papa flowa…
Tombontsoa goavana
Dimy andro ahafahan’ny mpitsidika mamantatra ny asa rehetra manodidina ny lamaody ity andiany manaraka ity, hoy ny mpikarakara. Ankoatra ny fampirantiana ireo asa tanan’ny mpandray anjara dia hisy ihany koa ny famelabelarana arahina adi-hevitra momba ny asa mifaindraika amin’ny kolontsaina toy ny mpanao gazety ara-kolontsaina, mpamorona lamaody, tompondraikitra momba ny serasera amin’ny sehatry ny kolontsaina, mpaka sary manokana momba ny lamaody… Ankoatra izany, hisy ny fizarana ny traikefa momba ny filatroana. Hanana anjara ireo tanora te ho “mannequin” na mpilatro. Hampahafantatra ireo sekoly na ivom-pampianarana any ivelany mampiofana momba ny lamaody ihany koa ny “Madagascar fashion week océan indien”, andiany faha-efatra.
Nirina R.