Socio-eco

MADA VISION: Mikarakara hetsika roa vaovao mahaliana sy hahazoan’ny orinasa madinika, salantsalany ary vaventy tombony


Nampahafantatra ireo hetsika ho karakarainy  amin’ny taona 2024 ny Mada Vision. Mikarakara hetsika roa vaovao  ity orinasa mpikarakara hetsika ity : ny « salon de l’innovation et de la technologie » sy ny  « festival international de la gastronomie ».  Ahitana ireo zava-baovao rehetra amin’ny sehatra maro toy ny fahasalamana, fambolena, fiompiana, sakafo, fizahantany, ny teknolojia sy ny maro hafa ny « salon de l’innovation et de la technologie (SIT). « Tsapa fa mihazakazaka ny fivoarana, maro ny zava-bavao misy any ivelany na eto an-toerana fa tsy fantatra nefa ilaintsika amin’ny fiainana andavanandro, na fiarovana ny tontolo iainana fotsiny,   na ny rano. Maro ny sehatra misy zava-baovao mahaliana, na vokatra na servisy vaovao », hoy i Ramanantsoa Harilala, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Mada Vision nanazava ny antony nikarakarana  ny SIT. Nambarany  nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety,  ny 29 novambra 2023, teny Ankorondrano ihany koa fa maro ny olona manana hevitra tsara fa mijanona eo amin’ny hevitra ihany izany na nahavita « prototype » dia nijanona teo nefa ilain’ny fiarahamonina. « Asaina izy ireny handray anjara amin’ny hetsika fa omena toromarika, ho ampiana mba ahafahany mivarotra ny heviny, na koa hitadiavana mpiara-miombon’antoka raha sitrany ny hampitombo sy hivarotra ny vokatry ny hevitra », hoy izy. Ny 12 ka hatramin’ny 14 aprily 2024 eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana izany.

Hetsika faharoa ho karakarain’ny orinasa amin’ny 2024 ny « festival international de la gastronomie ». Entina hampivondronana amin’ny toerana iray ireo matihanina amin’ny fanomanana sakafo sy ireo mpisehatra manodidina ny sakafo ny FIG. Ankoatra ny avy eto an-toerana dia ho avy handray anjara ihany koa ireo mpisehatra manodidina ny sakafo avy any ivelany (Ranomasimbe Indianina, kaontinanta afrikanina sy Eraopa). « Ahitana sehatr’asa maro momba ny fanomanana sakafo toy ny mpaninjara fitaovana ilaina amin’ny fikarakarana sakafo, sehatra mpampiofana matihanina amin’ny tontolon’ny sakafo, atrikasa, fifaninanana ny « festival international de la gastronomie. Handray anjara ihany koa ireo Chefs  avy  ivelany », araka ny fananzavan’i Ramanantsoa Harilala. Ho tontosaina ny 10 ka hatramin’ny 12 mey sy ny 29  novambra ka hatramin’ny 01 desambra 2024, eny amin’ny CCI Ivato ny FIG.

 Anisany nahafantaran’ny besinimaro ny Mada Vision ny « Grande Braderie de Madagascar ». Zava-baovao ho entiny mandritra ity hetsika ara-barotra  ity ny « destockage pro». Noho izany, tsy mijanona amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no ho hita mandritra ny GBM fa  hanasa ireo orinasa, magazay lehibe te hanao fihenambidy ho an’ireo mpisehatra mila izany  ny mpikarakara. Toy ny mahazatra dia eny amin’ny kianja Barea Mahamasina no hanaovana azy. Araka ny fandaharam-potoana voaray dia ny 24 ka hatramin’ny 26 mey sy ny 29 novambra ka hatramin’ny 01 desambra 2024 no hanantanterahana izany. “Manantena izahay fa ny hetsika karakarainay dia hanampy be ny orinasa madinika, salantsalany, lehibe mba ahafahan’izy ireo mampahafantatra ny  vokatra misy ao aminy bebe kokoa, mampitombo  ny vola miditra ao aminy fa indrindra ahafahan’ny mpanjifa mahazo fihenam-bidy mandritra ny hetsika izay karakarainay. Manome toky izahay  fa  ho tsara, hahaliana ary hisy vokany  ny hetsika ho karakaraina amin’ny 2024”, hoy ramatoa Harilala namarana ny anterivava natao azy. Marihina fa efa 25 taona ny Mada Vision no nisehatra tamin’ny fikarakarana hetsika.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *