Socio-eco

LIONS CLUB MADAGASCAR: 10.000 dolara atokana iadiana amin’ny COVID 19


Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Fondation du Lions Club International (LCIF) ny Lions Club Madagascar ho entina hanamafisana ny ady amin’ny coronavirus. Mitentina 10.000 dolara na 37. 752.677 Ariary izany ary ho ampiasaina amin’ny fividianana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fiarovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ireo hopitaly miandraikitra  ny mararin’ny COVID 19. Ao anatin’ireo lisitra misitrika ny fanampiana avy amin’ny Lions Club Madagascar ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), ny hopitaly Befelatanana ary ny hopitaly manara-penitra any Toamasina. Ny 13 aogositra 2020 no nanolorana ireo fitaovana toy ny surblouse, masque, surchaussure, gants, thermomètre, charlottre, saturomètre/oxymètre ho an’ny HJRA.  “Ny mpiasan’ny fahasalamana no miatrika ny ady lehibe voalohany ny ady ka izany indrindra no anton’izao fanomezana izao”, hoy ny filohan’ny faritra fahatelo eto Madagasikara,  Randrianaribefitia Bruno. Araka ny fanazavany dia ao anatin’ireo fanomezana ireo ny oxymètre mba hitsapana ny oxygène ao anatin’ny vatan’olombelona.

Nambarany fa ny Lions club dia fikambanana misy erantany izay niforona tamin’ny 1917 tany Chicago Etazonia. 1.500.000 izao ny mpikambana izay manana foibe LCIF izay mpiara-miombona antoka lehibe ao anatin’ny Lions. “Ny tena mampiavaka azy dia misy vola atolotr’izy ireo izay  aparitaka manerantany, arakaraka ny fisehon’ny zava-misy izay midona eran-tany. Ho antsika eto Madagasikara dia midona eto ny COVID-19  ary tsy azo hanoharana dia nanome fanampiana 10.000 dolara ny LCIF izay  niarahana tamin’ny Lions Club Madagascar ary isaorana lehibe ny Lions Club Analamanga, anisany tomponandraikitra, angady nananana sy vy nahitana nahafahana nahazo izao fanampiana izao”, hoy izy.

Nirina R.


One comment on “LIONS CLUB MADAGASCAR: 10.000 dolara atokana iadiana amin’ny COVID 19

  1. Pingback: LIONS CLUB MADAGASCAR: 10.000 dolara atokana iadiana amin’ny COVID 19 - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *