Mbola i Lion Hill ihany no ambasadaorin’ny Orange Madagascar ho an’ny taona 2025. Notontosaina ny 24 janoay 2025, ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Efa roa taona ny mpanakanto no nitana io andraikitra io, nanomboka tamin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity, ny taona 2023. Lion Hill no namorona sy nihira ny hira fankalazana mitondra ny lohateny hoe « Tafa be » sy niaraka tamin’ny orinasa nandritra ny fampahafantarana ny mari-pamantarana vaovao, ny taona 2024. Ho hita amin’ireo dokam-barotra sy ny hetsika maro isan-karazany mampiseho ny marika Orange ity mpanakanto manana ny toerany amin’ny mozika malagasy ity, mandritra ny taona 2025. Ho mpitondra teny amin’ireo andraikitra sahanin’ny orinasa ihany koa izy. « Dingana lehibe manamarika ny fanakaikaizana ny tanora ity fanavaozana ny fiarahamiasa ity. Mizara soatoavinay i Lion Hill ary tena ankasitrahana izy », hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara. Miangaly ny gadona « RnB » sy « Afro-Dancehall» i Lion Hill. Mambabo ny fon’ny tanora ny hirany. Fahombiazana lehibe ho azy ny hira Atövo Tönga Agny », nivoaka 10 taona lasa. Notohizany tamin’ny hira « Hikeo », « Lamban’Akoho », « Miangavy » sy « Magnanio » izany. Nahazoany amboara tamin’ny tamin’ny RDJ Mozika, fifaninanana mpanankanto mendrika indrindra, sokajy Ragga Dancehall, ny hirany « Ambila », ny taona 2020.
Ra-Nirina