Vokatry ny fihoaram-pefin’ny sasany izay mikasa hanatanteraka filan-kevitra hafa no nahatonga ny Birao nasionalin’ny Leader FANILO nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Izay tarihin’i Jean Max RAKOTOMAMONJY ihany no ara-dalana. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nanome rariny an’ireto farany. Manomboka izao, ampiharana ny lalana ireo mitonona ny anaran’ny antoko any ambadimbadika any , hoy Toto Alphonse, Filoha lefitra miadidy ny faritany Toamasina.
Anterivava :
Nitondra fanazavana mahakasika ny disadisa misy ao anatin’ny antoko ny birao nasionaly androany. Nivoitra tamin’izany fa “iray ihany ny Leader FANILO”. Manaporofo izany ny fisian’ny foibe eny Antsahabe.
Nirina R.