politique

LASA LAMAODY ILAY « IFOTONY »: Ohatran’ny manongotra mangahazo mihitsy


Mbola nanamafy ny heviny  ny amin’ny tokony  hanafoanana tsy misy hatak’andro  iny fifidianana filoham-pirenena notanterahana tamin’ny faha- 7 Novambra 2018 teo  ry zareo  ao anivon’ny HFI, RMTF, TFI, solontena isam-paritra… « Tsy nanana fahafahana naneho ny safidy ny olom-pirenena rehetra, manginy fotsiny ny  fisian’ny fividianana safidim-bahoaka  tamin’ny fizarana  vola sy ny fanaovana  tsindry  bokotra  isan-karazany ». Mangataka sy manery ny Fitsarana Avo momban’ny Lalam-panorenana (HCC) izy ireo mba hanafoana ny vali-pifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany iny. Ireo izay nihazakazaka namatsy vola iny fifidianana iny ihany no mijoro sy mikajy tombotsoa amin’izany. Nampitandrina izy ireo fa na iza na iza miziriziry amin’io dia tomponandraikitra amin’izay rehetra hitranga. Tsy ahatohitra ny hatezeram-bahoaka  izay lany eo hoy hatrany ireto vondrona fikambanana sy antoko isan-karazany ireto. Lalana tokana ihany no afahana miatrika amin’izao fahoriana mahazo ny malagasy izao dia ny fanombohana fanorenana ifotony eto Madagasikara.

Hatramin’izao mbola baraingo tanteraka aloha ny kandidà hahazo ny fanohanan’ireto mivondrona ireto izay efa  nanohitra ny fanatanterahana ny fifidianana hatrany am-boalohany ary mbola midrikina ny amin’ny tokony hanafoanana ny valim-pifidianana. Rehefa voadio hatrany ifotony ny lisi-pifidianana, tsy misy fividian’olona sy fampiasana vola mihoa-pampana intsony ary afaka mandray anjara daholo ny olom-pirenena feno taona, rehefa feno ireo fepetra rehetra ireo vao tokony hirosoana ny fifidianana ary manan-kery ny vokatra amin’izay fotoana izay.

Petsana /Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *