Sport

LALIGA SANTANDER : Ho arahina mivantana ao amin’ny Startimes


Sary raitra. Nahazo alalana handefa mivantana ny fifaninanana baolina kitra “LaLiga Santander” hatramin’ny taona 2024 ny Startimes. “Alefan’ny Startimes  mivantana  sy amin’ny sary tena raitra ireo lalao tanterahana mandritra ny LaLiga manomboka amin’ity taom-pilalaovana 2020-2021 ity izay hanomboka amin’ny 12 Septambra 2020”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe, Zafera Joyce ny 04 septambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa ao amin’ireo “chaînes” natokana ho an’ny fanatanjahantena sy ny “application de streaming Startimes ON” no anarahana izany.  Ankoatra izany dia hanome fahafaham-po ireo mpitia baolina kitra ity televiziona nomerika ity isan-kerinandro mandrapahatapitry ny Euro 2020 amin’ny volana jona 2021. Ankoatra izay dia azo arahina ao ihany koa ny Ligue des nations de l’UEFA 2020/21 izay efa nanomboka ny 03 Septambra 2020 lasa teo. Andrasan’ny mpitia baolina kitra ny androany 05 Septambra 2020 ny lalaon’i Portugal sy Croitie ary Suède sy France samy amin’ny 10 alina latsaka fahefany avokoa izay ao anatin’ny andro voalohany.  Mampatsiahy ihany koa izy fa “efa niverina ao amin’ny ESPN ny NBA  ary mbola hisy chaines vaovao hafa amin’ny teny frantsay”.

Nampahafantarina tamin’io fotoana io ihany koa ny fisian’ny fandaharana Startimes Go. Araka ny fanazavan’i  Zafera Joyce fa fandaharana fividianana entana  amin’ny alalan’ny tolo-draharaha mandeha amin’ny televiziona na amin’ny finday na amin’ny alalan’ny aterineto izy ity.

Nirina R.


One comment on “LALIGA SANTANDER : Ho arahina mivantana ao amin’ny Startimes

  1. Pingback: LALIGA SANTANDER : Ho arahina mivantana ao amin’ny Startimes - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *