Socio-eco

LALAO « TOUS BUTEURS » : Mahazo vola avy amin’ny Orange Money ny telo voalohany


Loka goavana no azon’ny telo voalohany mandray anjara amin’ny lalao « Tous Buteurs ». Vola mitentina 1.000.000 Ariary avy amin’ny Orange Money no loka voalohany. Lalao nokarakarain’ny Orange Money Madagascar nandritra ny lalao baolina kitra iadiana ny tompondakan’i Afrika (CAN) 2023 izy ity. Nahatratra 155.000 ny mpandray anjara, ny 13 Janoary ka hatramin’ny 11 febroary 2024. Kiniviavy Laurencia avy any Antsiranana no nandrombaka ny loka voalohany. Ceveline Christella Raharisoa, avy any Nosy Be no nahazo ny loka faharoa, vola mitentina 500.000 Ariary. Vola mitentina 250.000 Ariary ny loka fahatelo ka i  Rajaonary Ran Aina Nirina, avy any Antsirabe no notolorana izany. Mpandray anjara nahazo isa ambony indrindra nandritra ny lalao izy telo ireto. Fividianana tolotra miisa 8 tamin’ny alalan’ny Selfcare : 123.orange.mg ny fitsipidalao ka misy isa omena azy ireo isaky tolotra vidiana. Natolotra azy ireo tamin’ny 21 febroary 2024 lasa teo ireo loka ireo.  Ankoatra azy ireo dia nizara loka isan-kerinandro ho an’ireo mpanjifa nividy tolotra ka nahatratra isa 12 ny Orange, toy ny internet 1Go sy antso 20 minitra. Nahazo loka ihany koa ireo mpandray anjara 10 voalohany manana isa be indrindra: Be connect  4. 5Go ka hatramin’ny 20 Go, Tee-shirt, baolina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *