Socio-eco

LALAO AHAZOANA FIARA: Lasan’i Ratompoarisoa Antoinette ny fiara vaovao tamin’ny Tombola Tafabe Orange


Anisany lalao nokarakarain’ny Orange ho fanamarihana ny faha-20 taona nisiany teto Madagasikara ny Tombola Tafabe Orange. Efatra mianadahy no voasarika hahazo ny loka goavana. Lasan’i Ratompoarisoa Antoinette, avy eto Antananarivo ny loka voalohany, fiara vaovao be. Moto scooter ny loka faharoa ka tsara vintana nahazo azy i Rasolondray Roger avy any Ambilobe izany. Nitazona ny laharana fahatelo i Ralalaoharison José Marino avy eto Antananarivo. Orange Money mitentina 5.000.000 Ariary no nomena azy. Valiha Harindranto kosa no nahazo ny loka fahaefatra, abonnement internet Orange mandritra ny heritaona. Ny 20 jolay 2023 teny amin’ny foiben’ny Orange Ankorondrano ny lokan’izy ireo. Ny 1 jona ka hatramin’ny 30 jona 2023 ny lalao Tombola Tafabe Orange. Mpanjifa miisa 1.500.000 no nandray anjara tamin’ny lalao. Mahazo tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny lalao izay rehetra mividy tolotra manomboka amin’ny 1.000 Ariary. Ny 5 jolay 2023 lasa teo ny fisarihana ireo tsara vintana. Teo anatrehan’ny polisy misahana ny lalao no nanaovana izany. « Tantaram-pitiavana nandritra 20 taona no nisy teo amin’ny Orange sy i Madagasikara. 20 taona nitondrana aingavao ary tsy nitsahatra nanohana an’i Madagasikara tamin’ny firosoana amin’ny nomerika. Nanohana ny orinasa teto an-toerana tamin’ny fampiasana ny nomerika ihany koa izahay. Mbola hitohy ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovana nomerika amin’ny alalan’ny fanatsarana ny internet”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Ho fankasitrahana ireo mpanjifa mahatoky indrindra no nanaovana ny Tombola Tafabe Orange.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *