Socio-eco

LALANAN’NY FANANANTANY 2006-031: “Fanesorana tsikelikely ny fitantanan’ny kaominina ny fananantany (BIF)


Hisy fiantraikany amin’ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna. Manaitra ny sain’ny olompirenena sy ny mpisehatra amin’ny fananantany ireo firaisamonimpirenana 126 fa raha mihatra ny lalanàn’ny fananantany vaovao dia ho foana ny zon’ireo olona efa nanajary ny tany satria araka ny fanavaozana ny lalàn’ny fananantany tamin’ny 2005 sy ny lalàna 2006-031 dia heverina  ho tompony rehefa nanajary ny tany. Voalaza ao amin’ity lalàna vaovao ity ihany koa fa izay olona tsy manana titra na karatany ka tafiditra ao anatin’ny faritra misy harena an-kibon’ny tany na faritra hanaovana tetikasa ho an’ny daholobe dia ho esorina amin’ny tany na ho afindra. Nohamafisin’ireto firaisamonimpirenena ireto ihany koa fa fangalana ny fahefahana napetraka tamin’ny kaominina amin’ny fitantanana ny fananantany eny ifotony no tena tanjona amin’ ity lalàna ity. “Raha jerena sy vakiana tsara io lalàna io dia fomba hanesorana tsikelikely ny fahefan’ny kaominina amin’ny fitantanana ny fananantany”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny SIF, Raparison Eric. Tsiahivina fa nanao grevy nasionaly ny sendikan’ny mpiasan’ny fananantany. Tsy fanekena ny fitantanana ny fananantany  napetraka tamin’ny kaominina ny fitakiana nataon’izy ireo, toy ny tamin’ny taona 2015. Raha ny zava-misy anefa dia nanamora ny fikarakaran’ny tantsaha ny taratasin-taniny ny fisian’ny Birao Ifotony ny fananantany (BIF) hatramin’izay. Akaiky azy ireo kokoa noho ny fandehanana any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany, misahana ny fanomezana titra, izay lavitra ny kaominina misy azy ireo; Mora kokoa ny fahazoana karatany raha oharina amin’ny bokin-tany. Hita eny amin’ny haino aman-jery matetika ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany mizara karatany, ny ben’ny tanàna no manasonia izany. “Mahatsapa ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany fa hisy fiantraikany amin’ny  vaton’ny maro an’isa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka manaraka ity lalàna vaovao ity ka manatsara ny sariny  eo imason’ny mpifidy sy ny ben’ny tanana ary ny fahaleovantenan’ny kaominina izy”, araka ny fanehoan-kevitr’ireo firaisamonimpirenena nandritra ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’olombelona, ny 10 desambra 2021.

 

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *